Efa tena leo sy kivy ny momba ireny solombavambahoaka ireny ny ankamaroan’ireo olom-pirenena eto amintsika.
Saika tsy hita sy tsy mipoitra mihitsy mantsy izy ireny rehefa ny vahoaka madinika no manana olana. Rehefa ny tombontsoany manokana kosa anefa no katsahiny toy ny nitranga teny Tsimbazaza dia tonga ho azy tsy mila tadiavina ny sasany, indrindra raha vao resa-bola. Diso fanantenana tanteraka ny ankamaroan’ny olom-pirenena vokatr’izany. Hiasa sy hiady ho an’ny tombontsoam-bahoaka anefa no nifidianana azy ireny fa tsy hiady malety eny Tsimbazaza sy haka tombony amin’ny fitondram-panjakana. Ampahany amin’ireny ireto olona nanaiky nitafatafa tamin’ny gazety Tia Tanindrazana ireto.
Nirina : Ny ahy aloha ny fahalalako izany solombavambahoaka izany mpisolo vava ny vahoaka e ! Fa amin’ny ankapobeny tsy fantatro marina izay tena asa hataony. Tsy fantatro koa na aiza izy ireny no miasa na aiza. Izahay izao mipetraka eny Soavina Atsimondrano dia izany John Elite izany, hono, ny solombavambahoakanay eny.
Noro : Izaho tena tsy mahalala izany solombavambahoaka izany. Tsy fantatro akory ny fisiany sy ny asa ataony. Ny hany nandrenesako an’izany dia tamin’ny vaovao vao tamin’ity herinandro ity hoe : ady be, hono, teny Tsimbazaza.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.