Solombavam-bahoaka Antsirabe I

> Mitarika mazava ny kandida Michel Ambalavato


  • Alatsinainy 23 Desambra 2013

Mitarika mazava hatreto i Michel Ambalavato (27,36%) kandidàn’ny Ankolafy Ravalomanana amin’ny fifidianana solombavam-bahoaka ao Antsirabe voalohany raha ny vokatra tsy mbola ofisialy no jerena.

Tamin’ny ankapobeny mantsy dia saika nanjakan’ity kandidà ity avokoa ireo biraom-pifidianana miisa 139 misy ao Antsirabe. Nanaraka azy ny kandidàn’ny Miara-Miainga (25,80%) izay ny lehiben’ny faritra teo aloha Razanakolona Paul no mitarika ny lisitra ary laharana fahatelo tany aoriana lavitra kosa ny kandidàn’ny MAPAR miaraka amin’i Andry Rajoelina izay tarihin’ny Elima Hajarisaona (07,62%). Efa resabe sahady anefa io vokatra vonjimaika io ao Antsirabe amin’izao fotoana satria re fa efa misy  miketrika ny hanova azy any ambadika any. Toa nanamafy izany ny fandrahonana nataon’olon-tsy fantatra ny tompon’andraikitra iray solon-tenan’antoko ao amin’ny CED Antsirabe omaly alahady hariva, ka asa na hisy fifandraisany amin’ity fanovana ny vokatra ity na tsia fa efa mailo tanteraka raha ny Movansy Ravalomanana ao an-toerana amin’izao fotoana. Raha tsahivina moa dia rafitra nipetraka nandritra ny fitondran’ny lehiben’ny faritra avokoa no miasa amin’izao fotoana, izy nilatsaka ho kandidà io ka asa izay hitranga.


Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT