Manana sata manokana Antananarivo, ary voafaritry ny lalàmpanorenana ny maha Renivohitra azy ka mila
mametraka adihevitra manokana mikasika izay satany izay. Inona ary naninona no tonga amin’izao ity tanàna ity ? Maninona ohatra no vao avy ny orana dia hatrany am-poto-pe ny rano ? Lasa tahaka ny karaoty haraviravy amin’ny tehina dia iny no henjehin’ny apotra satria betsaka ny zavatra manaitaitra fotsiny fa ny fomba hanatanterahana azy baraingo, hoy Atoa Solohery Charles Hilaire mpikambana anatin’ny Birao mpiara-mitantana ny Antoko MFM, efa Tale Jeneralin’ny Orinasa SECREN teo aloha. Nohamafisiny fa manohana sy hampandany an’i Tahina Razafinjoelina kandida laharana N°2 ny MFM eto Antananarivo. Misy, hoy izy, ny filazana eny amin’ny tambajotra fa mpamadika, diso « cible »,… Mamadika amin’ny inona ? Niala tamin’ny antoko iray ve no nandeha nanangana antoko iray ? Tsy izao izy vao nanangana antoko ary ny fanaovana politika dia miditra malalaka izy miditra amin’ny antoko iray ary malalaka mivoaka rehefa misy zavatra tsy mifanaraka amin’ny foto-pisainany. Ny filazana fa manome bala sy manome vahana ny fitondrana, voizina fa olon’ny fitondrana, dia aleo hazava, nisy ny Collectif des candidats na C11 tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, nisy ny fanoherana mivaivay,… Tsy miova izay ho an’ny kandida Tahina, vao mainka mitombo aza mitombo satria io fanaovan’i Tahina ny jiro, fanadioavana ny lakandrano, ny fanamboarana lavandrano,… dia midika fa tsy nahavita ny tokony ho asany ny mpitondra izay olony no nitondra teo matoa maloto ny tanàna, tsy misy vina mazava, ny vola tsy mandeha amin’ny zavatra maika sy tena laharampahamehana fa amin’ny rendrarendra. Vao mainka aza fanoherana mivaivay hita maso avy amin’ny alalan’i programa no ataon’i Tahina, hoy hatrany Atoa Solohery Charles Hilaire. Efa niresaka sy nifamarafara tamin’i Tahina Razafinjoelina izay nanome toky fa hitondra fanovana, tsy amin’ny maha olona fotsiny fa amin’ny fomba fitantanana, manapaka tanteraka ny rohy tamin’ny tsy mety hatrizay, fa mitondra makany amin’ny zava-baovao. Tena nandany vola izy fa tsy nizara koveta, fa tena nijery ny mahasoa ny olona. Ny resaka loto ohatra, dia efa tena ambony lavitra ny fetra ambaran’ny OMS ka zava-dehibe ny fanadioavana ny lakandrano, ny lafiny ara-pahasalamana,… Tsy tongatonga ho azy ny nanohananay an’i Tahina fa misy « occasion » ity, lokan’ady lehibe iankinan’ny ho avy, ary tena marina ilay hoe : miaraka vao mandresy fa tsy mandresy vao miaraka, hoy Atoa Solohery Charles Hilaire nanentana ny olom-pirenena fa tsy diso làlana sy safidy raha miara-dia hiara hampandany an’i Tahina Razafinjoelina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.