Politique

Soavinandriana Itasy Misy ben’ny tanàna manao tsindry hazo lena sy jadona


  • Alarobia 15 Martsa 2023

Mitaraina amin'ny afitsoky ny ben'ny tanàna iray any amin'ny distrikan'i Soavinandriana Itasy ny vahoaka, hoy ny fampitam-baovao voaray.

Ampangain'izy ireo ho manao tsindry hazo lena, jadona, ramatahora, sy ny toy izany ity ben’ny tanàna ity. Ny kabarin'ny depiote, ny faran'ny herinandro teo, no nandrenesana fa milaza ho miara-matory amin'ny filoha io olona io rehefa any Antananarivo. Na ry zareo samy ao anaty TGV aza toa tsy mifanara-tsaina amin'io ben'ny tanàna io, noho ireo antony voalaza. Mijoro vavolombelona ihany koa ireo mpitandro filaminana fa ampihorohoroany sy toriany any amin'ny lehibe raha mahatratra azy mandika lalàna, ohatra, amin'ny resaka toaka gasy. Ny tena nahatezitra ny maro dia tsy hay na tsy fahaizana na fanahy iniana fa nivadika ny sainam-pirenena tao amin'ilay kaominina, araka ny hitan'ireo vahoaka, ny zoma 10 marsa teo, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT