Politique

Soava Andriamarotafika Tsy mandika lalàna izany ny CENI


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Nitondra fanazavana namaly ny Antoko MMM (Malagasy Miara-Miainga) ny CENI Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI tamin’ny alalan’ny mpitondra teniny Atoa Soava Andriamarotafika omaly,

raha ny hita tamin’ny haino aman-jery samihafa izay nantsoin’io vaomiera io. Nilaza moa ny MMM fa mandika lalàna ny CENI eo anatrehan’ny mbola famenoana karine fanisana mpifidy na efa tapitra aza fe-potoana. Miahiahy mafy amin’ny resaka “doubloons” ihany koa moa ny MMM. Ankilany, nilaza ny CENI fa ny fanisana mpifidy amin’ny fitetezana tokantrano no nifanarana. Entanina hatrany ny rehetra mbola tsy voasoratra hanatona ny fokontany, ny dikany tsy mandika lalàna ny CENI raha manentana ny olona mbola hisoratra anarana, hoy io tompon’andraikitry ny CENI io. Ny mahazatra ny olona dia hoe: manatona biraom-pokontany, saingy misy fokontany tsy manana birao. Misy mifamotoana eny amin’ny tranompokonolona na ambody kily,... Mbola misy “carnets” misy takelaka tsy feno tavela any amin’ny fokontany, fa izay feno no nakarina. Aorian’ny volana jona hahataperan’ny fe-potoana hahafahana mampiditra anarana no tsy azo atao intsony, raha tsy misy didim-pitsarana, hoy ny fanazavana. Ankoatra izay, dia milaza hatrany ny CENI fa misokatra amin’ny adihevitra sy ny fanaraha-maso. Tena mahafoana ny ahiahy samihafa ve anefa izany rehetra izany?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT