Politique

Soava Andriamarotafika “Ny adihevitra misy dia efa antoka fa hisy ny fifidianana”


  • Talata 24 Janoary 2023

Tsy niandry ny tenin’ny praiminisitra izahay fa vao vita ny lalana momba ny tetibolam-panjakana fototra na LFI, hoy ny mpampakanteny eo anivon’ny CENI,

Soava Andriamarotafika, namaly ny praiminisitra Ntsay Christian, dia efa nijery ny ho enti-mihetsika rehetra amin’ity fikarakarana fifidianana ity miaraka amin’ny sora-bola takian’izay moa izany satria fitaovana no takian’izay. Adihevitra no ifanaovana amin’io, hoy izy. Ny praiminisitra rahateo moa iny efa niteny hoe azo atao ny mijery azy na dia nasiany karazana fanamarihana aza ny hoe misy ireo fitaovana noheverina fa tsy voatery ho vidiana fa mbola azo ampiasaina. Anaty fanisana na “inventaire”-n’ireo fitaovana rehetra nampiasain’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI mipetraka any amin’ny ratsamangaika toy ny distrika izahay. Manomboka amin’ireny vata fandatsaham-bato tanteram-pahazavana ireny izany. Antoka ahafahana milaza ireny adihevitra ireny fa hisy ny fifidianana satria misy miheritreritra na miezaka mandemy fisainana mihitsy hoe tsy hisy izany. Aorian’ny “inventaire” izahay no mahita hoe ireto no fitaovana mbola azo ampiasaina na tsia. Misy mety any anaty fanisana, ohatra hoe fiarakodia, fa rehefa dinihina io dia tsy azo ampiasaina intsony anaty rafi-panjakana, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT