Soava Andriamarotafika

Nampirisika ny olompirenena hiaro ny safidiny


  • Talata 28 Mey 2024

Miankina amin’ny fandraisan’ny olompirenena tsirairay ny andraikitra sy adidiny no antoky ny fifidianana madio,

mangarahara ary eken’ny rehetra, hoy ny mpampakan-teny ankapoben’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI, Soava Andriamarotafika. Tsy vitan’ny fandrotsahana vato manao safidy fotsiny ho an’ny kandida A na B na D io, hoy izy, fa manara-maso iny fifidianana nataon’ny tena iny. Azo atao koa alohan’izay ny manara-maso ny lisi-pifidianana izay nambara fa manaraka ny tokony ho izy, araka ny fanavaozana isan-taona na RALE. Ny fanaraha-maso ankapobeny no fototra iorenan’ny fahafahan’ny olona milaza fa tena madio ilay izy. Tsy tokony hionona fotsiny any anaty birao na trano fandraisam-bahiny na lakozia sy ny rehetra ka maheno feo hoe misy mangala-bato ary na manao hosoka ary dia mionona. Mila midina mirotsaka an-tsehatra. Na Jesosy aza no miteny hoe nisy nangala-bato tary dia aza mionona amin’izay fa aleo midina tanteraka mijery sy manamarina an’izay dia amin’izay azo antoka hoe nisy tokoa na tsy nisy ilay izy. Fitarainana am-bava fotsiny na antso an-tariby no tonga eto aminay hatreto. Nandray ny andraikitra mifanandrify amin’izay izahay dia ny fipetrahana amin’ny toerana maha raiamandreny, mpikarakara, mpanabe. Natonona ilay olona niantefan’ilay fanakianana na tranga izahay. Nisy koa, ohatra, tamina sekolim-panjakana iray hita nametrahana kandida iray peta-drindrina ngezabe dia nalehanay tany hoe tsy mety io zavatra ataonareo io, tsy azo anaovana fampielezankevitra ny sekolim-panjakana fa mba ahitsio dia nanala izy. Inona moa no tadiavina ankoatran’izay? Tsy resaka hoe manafay na tsy manafay. Ny ankoatran’izay, ny fitarainana an-tsoratra tonga taty aminay dia ny fitetezam-paritra ataon’ny filoham-pirenena. Arak’izay maha fitetezam-paritra ataon’ny filoham-pirenena azy izay dia mifandroritra ny hevitra amin’io. Ny anjaranay amin’ny maha «agent verbalisateur» dia nandray ny fitarainan’ireo nanatitra izany dia ny Firaisankina sy Kolekitifa izahay. Nanaja koa izahay ny zo hiaro tena na «droit de la défense». Nalefanay tany amin’ny ambaratonga iantefany avy izany, hoy hatrany i Soava Andriamarotafika nampirisika ny olompirenena hiaro ny safidiny ao anatin’izao fifidianana solombavambahoaka izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka anio ny

  • PAN-Raharaha Naivo Raholdina
  • Talata 05 Mey 2026

«Mbola tsy azo esorina ny

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

Hijery ny tohiny
FTT