Politique

Soarano sy Analakely Voasiotsioka sy voahorakoraka ny Filoha


  • Alarobia 21 Desambra 2022

Tratry ny horakoraka sy siotsiokan’ny olona ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina omaly 20 desambra 2022, nandritra ny fandalovan’ny tanjozotram-piara mitondra azy teny Soarano sy Analakely.

Endrika iray naneho ny tsy fahafalian’ny olona eo anatrehan’ny zava-misy amin’ny fitantanana firenena. Nisy moa omaly ny hetsik’ireo mpivarotra nilanja sora-baventy teny amin’ny Petite Vitesse ka toa nifanandrify tamin’izany ihany koa ny fandalovan’ny Filoha. « Avelao izahay hivarotra fa fety ny andro », hoy izy ireo. Marihina fa norarana nanomboka ny volana septambra lasa teo tsy hivarotra manamorona ny làlana Petite Vitesse ireto mpivarotra ireto, ka ireo nipoitra ireo indray. Teo ny fifanojoany tamin’ny hetsika nataon’ny mpivarotra, fa taratry ny tsy fahafalian’ny olona amin’ny Fanjakana ny horakoraka mahazo ny Filoha tahaka izao. Tsy vao sambany io, fa efa niharan’ny toy izany ihany koa I Andry Rajoelina teny Mahazo ny janoary 2020. Ady hevitra teto amin’ny firenena ihany koa ny fisamborana ilay lehilahy iray nanao “pousse inversé” nandritra ny fandalovan’ny fiara nitondra ny Filoha teny amin’ny By Pass ny volana jolay 2022 teo. Mitovitovy amin’izany, fa tsy nivantana ny fanakanan-dàlana tany Avaratry ny Nosy nataon’ireo tantsaha mpamboly lavanila nanakan-dàlana tao Andranomifotitra Sambara ny volana jolay teo noho ny tsy fahafalian’izy ireo, ka ny t-shirt nampiasain’ny kandida Rajoelina tamin’ny propagandy noho nohomboan’izy ireo tamin’ny tanambokovoko. Endrika maneho ireny, fa efa sahy maneho mivantana ny tsy fahafaliany sy ny tsy fahafaham-pony ny olom-pirenena, na takonana amin’ny kisehoseho samihafa indraindray tena andanian’ny Fanjakana volabe mba hisintonana olona aza ireny. Sesilany ny olana ara-tsosialy, toekarena, vidim-piainana, tsy fananan’asa, tsy fananan’ny Fanjakana vahaolana,… ka lojika ny fisian’ny fihetsika mitory hafatra mafonja tahaka ireny. Raha ny sary sy ny toe-draharaha ara-politika hatrizay, efa santatry ny mety ho tsy fahatafaverenan’ilay Filoha na fitondrana amin’ny toerany ny endrika horakoraka. Any ivelany ireny efa tena mahery vaika no isehoany, ary misy mihitsy aza ny endrika ompa, tahaka ny nanjo ny Filoha Amerikanina teo aloha Donald Trump.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT