Soalihy Moussa

"Efa ela no goragora ny fitantanana ny JIRAMA"


  • Alarobia 24 Septambra 2025

Efa ain’ny vahoaka mihitsy no voakitika

rehefa miresaka hoe Jiro sy rano izany, hoy ny tomponandraikitry ny iraka na "chargé de mission" eo anivon'ny fiadidiana ny repoblikan'i Madagasikara, Soalihy Moussa. Tsy tokony hisy hisaina hoe izahay mpanohana fitondrana dia tsy ho tezitra manoloana ny olan’ny herinaratra sy rano, hoy izy. Raha tsy nahita vahaolana intsony anefa ny fanjakana tamin’ny famahana ny olan’ny JIRAMA dia isany nanampy ireo olona hitaky eny an-dalambe ny tenako. Hitako maso mihitsy anefa ny ezaky ny filoham-pirenena amin’ny famahana ny olan’ny herinaratra. Tsindriako mihitsy hoe ny filoha fa tsy ny JIRAMA. Efa ela no goragora ny fitantanana ny JIRAMA ary isan'ny maha sorena ny filoha io resaka delestazy io. Miantso ny JIRAMA hanafaingana ireo tolo-kevitra naroson’ny filoha hamahana ny olan’ny herinaratra, araka izany. Tsy fotoanan’ny korontana sy fifandonana izao fa andao isika hitaky am-pitoniana hamahana ny olan’ny herinaratra sy rano, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT