Politique

Soalihy Moussa “Ambany fisainana ny mpanao politika mbola mivoy ady ihany”


  • Alakamisy 16 Febroary 2023

Arahabaina tongasoa ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filozofa, Soalihy Moussa.

Fifidianana izany, mazava ho azy, no antony hahatongavany eto fa tsy dia fahoriam-bahoaka loatra, hoy izy. Efa misy foana eto amin’ny tany sy ny firenena ny fifanarahana politika na “accord politique”. Tsy mampaninona ahy raha “accord politique” mankany amin’ny fitoniana. Tsy maneva an’I Madagasikara intsony ary tsy lamaody intsony izany krizy aorian’ny fifidianana izany. Efa nanana tombony ara-demokratika be isika ary tsara tohizana raha tsy hiteny afa-tsy ny tany amin’ny 2014 raha lany filoham-pirenena ilay filoha teo aloha voalaza teo. Nomen’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina azy tsara, tsy nisy gidragidra tamin’izay ny fanalahidy. Tahaka izay koa ny tamin’ny 2018 rehefa lany ny filoha Andry Rajoelina dia nanao fifamindram-pahefana tsy nisy rahoraho. Efa nisy fifamindram-pahefana miisa 2 izany izay teto tsy nisy krizy taorian’ny fifidianana dia andao tohizana. Tsy tsara intsony ny ahita malagasy hifamono eto na malagasy hilatsaka ny rany noho ny tsy fitovian-kevitra. Ambany dia ambany ny fisainan’ny mpanao politika mbola hivoy ady, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT