Siteny tao Befandriana

"Famerenana fahefana amin'ny vahoaka ny fitsinjaram-pahefana"


  • Alakamisy 21 Septambra 2023

Mijaly, teritery, mosarena izahay hoy ny tarainan'ny mponin'i Befandriana onaly nandritra ny Mihava Tour tarihin'ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko.

Efa tsy taka-bidy hatramin'ny savony, hoy ireo ary zavatra tsy fahita hatramin'izay niainana izany.Sahirana ny vahoaka, sady tsy ampy sakafo no tsy mandry fahalemana, tena mafy ilay fiainana. Fanomezana sehatra sy fisokafana amin'ny vahoaka, hihainoana ny hetahetany ny hetsika Mihava Tour ary dia maro be hatrany isak'izay toerana aleha ireo olona tsy misalasala miteny ny manahirana sy ny mampiady saina azy.Anisan'izany izao ohatra ny fanehoan-kevitry ny mponina tao Befandriana io omaly io fa tsy mifantoka amin'ny laharampahamehana takian'ny vahoaka ny hoe fampandrosoana nentin'ny mpitondra . Noraisina ohatra ny hoe : tsy ny fanomezana moto ny ben'ny tanàna no manatsara ny fiainam-bahoaka , tsy miteraka fampandrosoana izany, hoy ny resaky ny mponin'i Befandriana omaly.Ny eny amin'ny fokontany sy ny mpampianatra anefa tsy jerena akory. Ka izay indrindra no antony hametrahana ny tena fitsinjaram-pahefana hoy i Siteny Randrianasoloniaiko ka averina any amin'ny vahoaka ny fahefana; ny eny ifotony no mahalala ny zavatra tena ilainy sy ny mety aminy. Efa nanambara ny hanolorana volavolan-dalàna manome vola ny kaominina moa ny kandida laharana faha 13 Siteny Randrianasoloniaiko raha toa ka izy no lany eo.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT