Siteny Randrianasoloniako

« Tsy hisy hanaiky valim-pifidianana eo raha… »


  • Zoma 01 Desambra 2023

Nanamafy ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko omaly, fa tsy hanaiky mihitsy izay voka-pifidianana eo,

raha tsy misy ny fampitahana ireo vokatra manerana ny Nosy. Nirotsaka hofidiana, ary nandray anjara tamin’ny fifidianana, ka izay no nahafahana mamantatra ny kolikoly sy ny hosoka rehetra izay nisy nandritra ny fifidianana. « Zoko tanteraka ny milaza ny zavatra tsy mety rehetra nandritra iny fifidianana iny,... Tsy navela niditra ny delegenay nanerana an’i Madagasikara. Tamin’n’ny 12 ora teo vao tena afaka niditra, ary nanaiky izany Filohan’ny CENI izay nilaza hoe : « fa efa miezaka izahay ny hampidirana azy ireo» », hoy hatrany i Siteny Randrianasoloniaiko. Nambaran’io kandida io fa rehefa hita ny fahavitsian’ny mpifidy teto Antananarivo sy tany amin’ny renivohi-paritany rehetra, dia nanomboka namboarina daholo ny tany amin’ny faritra rehetra, nezahina mihitsy ho 100%, 100%, ary nihoatra ny mpifidy voasoratra ny latsa-bato, izay nitondran’ny mpisolovavan’i Siteny Randrianasoloniaiko porofo maro izany, raha ny hita tamin’ny famelabelarana sy ny ampamoaka omaly. Nalefa ny fitoriana nitakiana ny fampitahana ny fitanana an-tsoratra manerana ny Nosy, saingy tsy tena nahazo rariny. Raha tsy misy ny « confrotation » dia tsy manaiky io fifidianana io, raharaham-pirenena io, filoham-pirenena no fidiana eo,… ka raha tsy tanteraka io dia tsy misy hanaiky izay valim-pifidianana eo, hoy hatrany izY. Nanamafy ny fitakiana ny fanafoanana manontolo iny zotram-pifidianana iny, ny fanafoanana ny naha kandida an’i Andry Rajoelina,… moa i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny mpiara-dia aminy, ka mbola nisy ny fitondrana ireo voalaza fa porofo samihafa nilazan’izy ireo fa tena feno hosoka sy tsy fahamarinana ka tsy azo ekena ny fifidianana. Anisan’izany ny filazana fa tsy misy na iray aza tamin’ireo fitanana an-tsoratra nanaovana fampitahana dia tsy nisy tsy nahitana tsy fahatomombanana ka nitakiana ny fampitoviana an’ireo 27000 mahery manerana ny Nosy, tsy voahaja ny fahadiovan’ny latsa-bato, tsy mitovy ny voalazan’ny PV sy ny voasoratra rehefa atao « Scan », nisy ny tsindry sy baiko natao tamin’ny HCC izay isan’ny antony hahafaha-mainintsana kandida, tsy voahaja ny fitovian’ny kandida, nisy ny fitanilana tamin’ny fitantanan-draharaham-panjakana,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT