Politique

Siteny Randrianasoloniaiko Tafaresaka tamin’ny filohan’i Ouzbekistan


  • Alakamisy 13 Oktobra 2022

Tafaresaka fohy tamin’ny Filohan’i Ouzbekistan Shavkat Mirziyoyev, i Siteny Randrianasoloniaiko nandritra ny diany tany amin’ity firenena iray ity.

Izy moa dia manatrika ny fiadiana izay ho tompondaka erantany amin’ny taranja Judo any Tashkent – Ouzbekistan amin’izao fotoana. Matotra ny fikarakarana, hoy i Siteny ary niarahaba ny filoha Shavkat Mirziyoyev aho noho izany sy ny fandresena miezinezina azon’i Ouzbekistan.Mialohan’izao moa dia efa nihaona tamin’ny Praiminisitr’ity firenena ity Atoa Abdulla Oripov sy ny mpikambana maromaro sy ny mpikambana maromaro ao amin’ny governemanta i Siteny R.voaresaka ny fanatanjahantena fa nisy ihany koa ny resaka mahakasika ny mafiny ara-toekarena sy fifanakalozana traikefa.Tombosoa ho ahy, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko ny nahita ny « modèle économique » ampiharina aty indrindra amin’ny sehatry ny indostria sy ny fandraharahana.Hitodi-doha ho dy an-tanindrazana amin’io herinandro ambony io i Siteny R satria hanatrika ny fivoriana ara-potoana faharoa an’ny antenimieram-pirenena ; andrasan’ny mpanara-baovao ihany koa izay fanehoan-kevitra na fanazavana ho entiny manoloana ny tafa nataon’ny tamin’ny mpanao gazety tany Nairobi – Kenya momba ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny 2023.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT