Politique

Siteny Randrianasoloniaiko « Raha kandida aho, dia izaho no ho Filoha manaraka… »


  • Zoma 07 Oktobra 2022

Efa ho herintaona teo ho eo izay no mandeha etsy sy eroa ny resaka momba ireo mety ho kandida amin’ny fifidianana Filoham-pirenea manaraka atao eto Madagasikara

Mbola mitohy hatramin’izao izany tombatombana izany satria tsy mbola nisy tena nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa ho kandida. Voatonona ao anatin’ity resaka ity Atoa Siteny Randrianasoloniaiko, solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Toliara I, filohan’ny komity olaimpika Malagasy ary farany teo dia voafidy ho filohan’ny Judo aty Afrika .Manatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja Judo any Nairobi – Kenya i Siteny R amin’izao fotoana ary nararaotin’ny mpanao gazetin’ny Radio Netherland any an-toerana nanontaniana ny momba io siosion-dresaka mahakasika azy io.Nanambara ary i Siteny R na i Rahozatra hoy ireo tena mahalala azy fa tsy vao izao no nisy nanontany hoe ho kandida Filoha ve ianao ; efa maro hoy izy ireo nanontany sy namporisika, ao ny mpanao politika, mpandraharaha, antoko politika, sy ny maro hafa.Milaza i Rahozatra fa eo am-pandinihana izany mihitsy amin’izao fotoana ary tsy maintsy hanapa-kevitra tsy ho ela. Tsy te handiso fanantenana aho, hoy izy ka mila mieritreritra tsara sy tsy maimaika. Na izany aza matoa aho kandida, dia izaho no ho Filoham-pirenena Malagasy manaraka, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko.
EFA MANOMAN-TENA ?
Raha ny tsiliantsofina re sy ny vaovao nokarohina dia anisan’ireo olona, mpanao politika efa nanomboka nandrafitra vinam-piarahamonina sy fandaharanasa i Siteny R, ary efa misimisy ihany ireo teknisianina , manampahaizana eto an-toerana sy any ivelany, teratany Malagasy sy vahiny miara-miasa aminy, eny fa na dia fifanakalozan-kevitra sy traikefa fotsiny aza.Ny fahitana azy dia anisan’ireo olona tena manana hambom-po sy manana toe-tsaina tia manao zavatra tsara ary tsy maintsy mandresy i Siteny, izy rahateo moa mpanao haiady Judo efa hatramin’ny fahakeliny. Raha tontolo politika indray, fantatra ny olona ihany izy fa tsy dia hoe malaza be, ka ho hita eo ny heviny sy ny fahasahiany hitsapa ny safidim-bahoaka ; ara-paikady politika dia fomba fiasa mahomby ny mandroso zava-baovao, vahaolana vaovao sy mitombina tsara amin’izao krizy iainan’ny firenena izao manoloana tsy fahombiazam-pitantanan’ny fitondrana Rajoelina. Ho hita eo ny tohiny .
Legende : Siteny Randrianasoloniaiko niresaka tamin’ny mpanao gazety tany Nairobi - Kenya
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT