Politique

Siteny Randrianasoloniaiko Manamafy ny dinika stratejika sy diplaomatika samihafa


  • Alatsinainy 09 Janoary 2023

Nihaona sy nitafa tamin’i H.E. Irchad Ramiandrasoa Razaaly, Masoivohon’ny Firaisam-be Eoropeanina any Ghana (Ambassador plenipotentiary of the European Union to Ghana) Atoa Siteny Randrianasoloniaiko,

araka ny serasera navoakany omaly alahady 8 janoary 2023. “Finaritra ny tenako nitafa taminy, nandritra ny famangiako azy noho ny taona vaovao 2023 tao an-tokantranony ao Bruxelles. Marihina fa teraka sy lehibe ary nandrato fianarana teto Madagasikara i H.E Irchad Ramiandrasoa Razaaly mialoha ny nanohizany fianarana sy niasany tany am-pita ary nahatonga azy ho « diplomate » avo lenta”, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Nomarihiny noho izany fa Stratejika tokoa ny toerana iasan’io Diplaomaty io ankehitriny satria i Ghana dia firenena lehibe manana ny maha-izy azy aty Afrika. Nahaliana noho izany ny tafa sy dinika nifanaovanay am-pirahalahiana, manodidina ny fifandraisana iraisam-pirenena sy jeopolitika, indrindra mikasika an’i Afrika sy Eoropa. Mazava fa ny fikatsahana ny tombotsoa ho an’i Madagasikara hatrany no mibaiko antsika. "Ny Malagasy aloha", hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Tsikaritra ho miezaka manamafy ny fifandraisana ara-stratejika sy ara-diplaomatika samihafa i Siteny Randrianasoloniaiko, izay heverin’ny mpanara-baovao ara-politika fa ho isan’ny kandida ho Filoham-pirenena. Ny fandaharana manokana nataony ny 24 desambra 2022 lasa teo, dia toa maneho fa efa tongotra mby an-dakana ny azy ny fahavononana na dia naneho aza izy, fa mbola hitety an’i Madagasikara hijery ifotony ny olam-bahoaka aloha, fa hanambara ofisialy ny fanapahan-keviny.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT