Siteny Randrianasoloniaiko

“Hiteraka korontana io vao misy aloka kolikoly sy sakantsakana eo”


  • Talata 12 Septambra 2023

Tsy azo ivalozana ny fanapahan-kevitry ny HCC, tsy tsara toerana isika rehefa manapaka hoe: izaho ny fanapahan-kevitra.

Ny lalàna momba ny zom-pirenena Malagasy anefa na hoentina any Amerika na any Asia na any Eoropa,… raha jerena amin’ny mikasika ny filoha teo aloha, ary izy tsy nandà hoe: izy vazaha, izy tsy nandà hoe: izy nangataka, ka amiko dia tsy Malagasy izy na hoentina aiza nah aka manam-pahaizana tahaka, fa eto Madagasikara moa iny ny fanapahan-kevitry ny HCC dia akory atao, fa tsy maintsy manaraka an’iny isika”, hoy I Siteny Randrianasoloniaiko. “Ny fahatokisana ny fitondrana dia tsy misy, ary iny noresahana iny izao ny resaka angidimby, fa ny CENI moa nilaza fa tsy maintsy hampidirina daholo ny an’ny kandida manana izany, ary tahaka izany ihany koa ny fiaramanidina, mitovy tamin’ny fifidianana tamin’ny 2018 sy 2013”, hoy hatrany ity kandida ity. Ny hoe: hangarahara ilay izy dia miankina amin’ny CENI izay zavatra izay, raha ny nambarany. Notsipihiny kosa fa io vao misy zavatra misy aloka kolikoly dia hitondra fikorontanana eto Madagasikara, raha tsy hiteny fotsiny afatsy ny angidimby satria raha kandida tokana ihany no handeha hitondra an’izany, izaho tsy mino hoe: ho tafapetraka eto Madagasikara izany satria ireo mpanara-dia ny kandida hafa ihany koa tsy hanaiky izany, ka izay no mila sorohana dieny izao, raha ny fanehoan-keviny. Tokony havela malalaka ny rehetra hampiditra ny angidimby satria tsy tsiambaratelo ny fanomanan’ny fitondram-panjakana tsy hampiditra ny angidimby sy ny fiaramanidin’ny sasany, hoy izy. Izaho handray fiaramanidiko manokana dia nosintonina teo noho eo ny taratasy, handeha Air Madagascar, ny olona eo amin’ny “comptoir” noroahina daholo, ka raha izany ny zava-misy, raha izany ny fahadiovany, tsy hisy filaminana ny fifidianana eto Madagasikara. Toe-javatra tahaka izany no apetraka eto Madagasikara. Nilaza ho demokraty ary tsy nandray anjara tamina fanonganam-panjakana moa I Siteny Randrianasoloniako, ka nanambara fa hanaiky izay ho voka-pifidianana eo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT