Siteny Randrianasoloniaiko

Hanomana tolo-dalàna ahafahana manome tetibola ny kaominina


  • Alarobia 20 Septambra 2023

Siteny Randrianasoloniaiko Hanomana tolo-dalàna ahafana manome tetibola ny kaominina Asa voalohany hotanterahan’i Siteny Randrianasoloniaiko

raha voafidy ny tenany ny hanomana tolo-dalàna ahafahana manome tetibola ho an’ny kominina hisian’ny fampandrosoana ifotony raha ny nambarany tao Mandritsara nandritra ny Mihava Tour ny alatsinainy lasa teo. Misy vola hoy izy ao anaty kitapom-bolam-panjakana saingy tsy omena ny ben’ny tanàna izany ka rehefa tonga eo amin’ny fitondrana ny tenany dia ny lalàna mikasika ny teti-bola omena ireo ben’ny tanàna no laharam-pahamehany. Ankoatra izay, nambaran’i Siteny Randrianasoloniaiko tamin’ny mponin’i Mandritsara ihany koa fa ho betsaka ny vahoaka tsy hahazaka fijaliana raha mbola ny filoha teo aloha Andry Rajoelina no lany eo. Azo atao tsara ny mampandroso an’i Madagasikara ary tsy misy olona afaka hitondra an’i Madagasikara irery raha tsy misy ny fitsinjaram-pahefana hoy i Siteny . Olana anefa ny tsy fanomezana tetibola ho an’ny ben’ny tanàna fa giazan’ny fanjakana foibe ny vola hoy hatrany ny kandida laharana faha 13. Efa tao anatin’ny 50 taona no tsy nanomezana fahefana azy ireo hoy hatrany i Siteny Randrianasoloniaiko ka fotoana izao hanovana izany. Nampanantena ny fampananana asa ihany koa ny kandida laharana faha 13, Siteny Randrianasoloniaiko.
TSODRANO
Tsara homarihinafa tonga nangataka tsodrano tany amin’ny toerana nahalatsahan’ny tavonin’i Filoha teo aloha Philibert Tsiranana tao Marosely fokontany Ambodisely kaominina Amborokorano Distrikan’i Mandritsara ny Kandida Filoham-pirenena laharana faha 13 Siteny Randrianasoloniaiko. Ho fanajana ireo olobe any amin’ny tany nihavian’ny Filoha teo aloha Philibert Tsiranana moa no natao ka nanao fadi-drà tamin’ny alalan’ny fanomezana omby ho nofon-kena mitam-pihavanana i Siteny Randrianasoloniaiko. Tamin-kafaliana moa no nandraisan’ireo vahoakan’i Mandritsara ny kandida laharana faha 13 ity. Tao Mandritsara no nipohiran’ny Repoblika tamin’ny alalan’ny Filoha Philibert Tsiranana hoy ny Solombavambhaoakan’Analalava Djaosera Irenée. Izy izay nanambara fa novolavolaina tamin’ny foto-kevitry ny Filoha teo aloha ity ka antony nanohanany ny Kandida laharana faha 13 Siteny Randrianasoloniaiko. Arak’izany ho mariky ny nofon-kena mitam-pihavanana sy ho mariky ny fadi-drà dia nanolotra omby ny Kandida Siteny. Nanome tso-drano ho an’I Siteny Randrianasoloniaiko tonga amin’ny fitantanana ny firenena moa ireo olobe tany amin’ny fokontany Ambodisely kaominina Amborokorano Distrikan’i Mandritsara.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT