Politique

Siteny Randrianasoloniaiko «Famotehana vahoaka io JIRAMA io…»


  • Talata 30 Mey 2023

Nitifitra «Big boss» tao amin’ny Mihava tour SIRAMA Ambilobe ny mpitandro filaminana ny sabotsy, raha ny fampitam-baovao voaray ka maro no latsa-dranomaso.

Maro ny olona nitondra antsika fa tsy mbola nisy nandalo teto amin’ity toerana ity, hoy ireo solontenan’ny mponina nandray anjara fitenenana. Na inona ataon’ny fitondrana tsy maintsy tanteraka ny anio, hoy izy ireo. Maro zavatra aty nefa mijaly ny mponina, hoy kosa ny depiote Edizard izay voafidy tao Vohemar. Misy volamena isika kanefa mahantra, hoy izy, satria lasan’ny mpitondra daholo ny vola. Tonga taty tamin’ny propagandy ny filoham-pirenena nilaza hoe hanao orinasa fanaovana etanaolina saingy nandainga, hoy hatrany ny tenany. Matokisa ianao Siteny kosa, hoy ny depiote Voninahitsy Jean Eugene, fa ny sambo idirako tsy dobo. Izaho, hoy izy, efa tena leo izao fitondrana izao. Fisaorana lehibe no ataoko anareo, hoy indray ny depioten’i Manakara, Rasidibe, satria eto Ambilobe dia saika ahitana ny malagasy rehetra ka porofo izao fa mifankatia ny malagasy. Tsy misy hopitaly sy fiara mpitondra marary aty, hoy ihany ny fanehoan-kevitra. Maro ny olona maty an-dalana rehefa marary. Ny lalana rahateo efa ratsy. Ity fitondran’i Andry Rajoelina ity, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko, dia fitondrana mangalatra ny volan’ny kaominina. 1000 miliara Ariary ny vola omena ny JIRAMA nefa mbola tsy mandeha ihany, hoy izy. Manana lalana ve ianareo? Misy hopitaly ve eto? Misy sekoly ve eto? Misy fandriampahalemana ve eto? Tsy isika eto Ambilobe irery no mijaly fa ny malagasy manontolo. Famotehana ny vahoaka io JIRAMA io. Andriamatoa Andry Rajoelina, aza potehina ny malagasy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT