fositra Ravatomanga sy Rajoelina, henjeho Ntsay,… »
Tsy haiko hoe inona no antony nahatonga io solombavambahoaka io izay nanao fanambarana tamin’ny vahoaka Malagasy fa tsy mila io Praiminisitra io ary tsy nanao sonia, fa izahay nanao sonia. Izao anefa lazainy fa izahay nanao sonia no mikasa hanala azy », hoy ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko omaly, namaly ny fanambarana nataon’ny depiote Rajerison Antoine izay nanambara fa mikasa hanongana ny governemanta i Siteny Randrianasoloniaiko, miaraka amin’ny HCC sy ireo depiote IRMAR nisintaka, amin’ny alalan’ny fananganana vondrona parlemantera vaovao, mba hananganana governemanta vaovao. Milaza i Siteny Randrianasoloniaiko fa ny lalàna sy lalàmpanorenana ihany no azy, ary araka izany ny asa sy fanapahan-kevitra noraisina. Tsy mbola nisy fanintsiana ny lalàna mifehy ny volam-panjakana, tsy mbola nisy ny hoe governemanta nantsoina foana, tsy mbola nisy fanadihadiana parlemantera betsaka indrindra tao anatin’ny 25 taona,… hoy ity farany. « Alahelon-kanina noho ny faharesena sy tsy fahalaniana ho filoha lefitry ny antenimierampirenena ny an’ny depiote Antoine Rajerison », hoy i Siteny Randrianasoloniako, izay nilaza fa tsy mbola nisy ihany koa raha ny filazany ny fanangonan-tsonia entina manongana ny governemanta. Andaniny, nanamafy sy nanizingizina ny ambarany fa fahamarinan’ny zavatra nilazainy ny depiote Rajerison Antoine omaly.
NAMOHA NY ANARAN’I NTSAY CHRISTIAN
Ankoatra io, namoha ny resaka mikasika ireo mpitondra teo aloha i Siteny Randrianasoloniaiko, ka tafiditra ao anatin’izany ny fikasana hanao fanadihadiana parlemantera mikasika ireo afera maloto. Anisan’izany ny afera volamena 46kg tao amin’ny Minisiteran’ny harena ankibon’ny tany, izay nambarany fa maintsy hatao raha toa ka tsy misy fandraisana andraikitra avy amin’ny Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany. Tsy azo avela amin’izao fotsiny ny raharaha volamena mivadika vy, hoy izy. Nandetika hatrany an’ireo mpitondra teo aloha ary nametra-panontaniana manokanamikasika ny Praminisitra teo aloha Ntsay Christian izay nambarany fa tsy mba voaresaka. « Raha misy olona tena nambotry ity Firenena ity satria tafakatra 651 tapitrisa dolara ny kaontiny iray malotony any ivelany. Tompon’andraikitra voalohany ingahy Rajoelina satria izy no filoham-pirenena tamin’izany, ary tsy afa-miala i Ntsay Christian. Inona no antony tsy mbola hisian’ny resaka momba io Praiminisitra teo aloha io ? », hoy i Siteny Randrianasoloniaiko.
TSY MISY VALIFATY POLITIKA
Nanipika fa tsy misy valifaty politika, fa tompon’andraikitra daholo ny rehetra tamin’ny nataony. Ny olona nandray baiko, dia tsy hitako izay hanenjehana azy. Hofoanana ve izany zandary ? Tahaka izany ihany koa no itenenako satria hifamono eto isika, ka ny angatahako fanadihadiana parlemantera manokana dia i Andry Rajoelina satria betsaka ny baiko izay nataony miendrika kolikoly, ka anjara asan’ny depiote araka ny lalàmpanorenena izany. Rehefa vita ny fanadihadiana parlemantera izay mety ho diso mety ho marina, fa atolotra ny vahoaka ka ny vahoaka no hitsara, hoy ity Filohana andrim-panjakana ity. Nilaza moa i Siteny Randrianasoloniaiko, fa betsaka ireo dosie sy asa miandry toy ny satan’ny mpitsara, ny mpandraharahan’ny fonja, ny mpiraki-draharaha,... ka tsy maintsy hojerena. Mety hisy noho izany ny fivoriana tsy ara-potoana any amin’ny janoary.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.