Siteny Randrianasoloniaiko

Ahiliny ny Firaisankina


  • Alatsinainy 01 Jona 2026

nahavoafidy azy ho depiote ?

Natakalon'i Siteny Randrianasoloniaiko IRMAR ny Firaisankina nahavoafidy azy. Tsy niherina akory ny taona nanilihan'ny Vahoaka ny fitondrana Rajoelina nisian'ny ra latsaka sy namoizana aiza nitakiana fahafahana, dia mitsipa-doha laka-nitana... Santionany amin'ireo fanehoan-kevitra feno alahelo, fimonomononana sy hatezerana heno avy amin'ireo mpiaradia amin'ny vovonana Firaisankina sy ireo mpitolona ary Gen-Z nametraka izao fitondrana Fanavaozana izao ireo manoloana ny zava-mitranga eny amin'ny Antenimierampirenena. Tampoka teo mantsy dia nisy fifidianana nanoloana ireo filoham-baomiera eo anivon'ny Antenimierampirenena nandritra ny fivoriambe ny 28 mey 2026. Hatairana ny an'ny maro nahita ireo minisitra tamin'ny fitondrana Andry Rajoelina lasa depiote natao filoham-baomiera. Saika depiote avy amin'ny vovonana IRMAR mantsy ny ankamaroan'ireo nofidiana ho filoham-baomiera, tamin'ireo vaomiera miisa telopolo mahery misy. Fombafomba fotsiny ihany koa ny hoe : fifidianana fa efa nisy lamina mialoha nataon'ny Filohan'ny Antenimierampirenena. Nofidiana ho filohan'ny Vaomieran’ny Lalàna i Maharante Jean de Dieu, voafidy tao Toliara I ; filohan'ny Vaomieran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny Tany i Rajoelina Seth, voafidy tao Fianarantsoa. Filohan'ny Vaomieran’ny Atitany i Razafimahefa Tianarivelo, voafidy tao Ambatolampy. Minisitry ny Atitany voatonontonona tamin'ireny raharaha "écran plat" sy fifidianana feno "doublons" ireny ity farany. Mpampakatenin’ny Vaomieran’ny fitantanam-bola i Radafindranaro Rijaniaina Thierry, depiote IRMAR voafidy tao Antananarivo Avaradrano. Vaomiera telo no mba nomena hotarihin'ireo depiote avy amin'ny Firaisankina, izay vovonana politika nahavoafidy ho depiote tao Toliara I an'i Siteny Randrianasoloniaiko, lasa filohan'ny Antenimierampirenena, dia Rafidimanana Narison, depiote voafidy tao Antanifotsy, filohan'ny Vaomieran’ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola ; Ramilison Andriamampionona Nomenjanahary voafidy tao Faratsiho nomena hitarika ny Vaomieran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Siantifika ary Randrianantenaina Olivier Anthony José voafidy tao Antsirabe II natao filohan'ny Vaomieran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana arak’asa. Fihatsarambelatsihy no nandraisan'ny mpiara-mitolona, indrindra ny Gen-Z, ny nanendrena ho filohan’ny vaomieran’ny fanavaozana ifotony an'i François Jean Michel na Michel "Havako Aby" voafidy tao Antsirabe I, satria tsy voafaritra ao anatin’ny Fitsipika Anatiny izany. Taorian'ny kabary nataon'i Siteny Randrianasoloniaiko momba ireo vahiny monina eto Madagasikara tao Mahajanga sy ity miseho eo anivon'ny Antenimierampirenena dia isan'ireo tsy nitsitsy fitenenana i Pr Narison Stéphan, kandida filoham-pirenena tamin'ny 2018 avy amin'ny Antoko Gasy Miara Mandroso (AGMM) tamin'ny ranty nataony milaza fa : "Tsy aleon’i Siteny ve manohy Judo dia milamina toy izay manao politika ? Izao mahazo tsikera ary mikorontana ny saim-bahoaka sy ny Firenena ? Sa mamy ilay manana fahefana sy prezida miaraka amin'ny tombotsoa ?".
Jean D.
Siteny Randrianasoloniaiko, Filohan'ny Antenimierampirenena
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT