Efa ela no naharenesana fitarainana avy aty Nosy be, hoy ny mpitarika ny hetsika Mihava tour, ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko,
raha nigadona hanatanteraka izany tao an-toerana ny sabotsy teo. Tsy ny mpanohana an’i Siteny ihany, hoy izy, no antsoina hanatrika ny Mihava tour amin’ny maha hoe mihaino ny vahoaka azy fa izay mahatsiaro marary anatin’izao zava-misy eto Madagasikara izao. Te hihaino ny fanirian’i Nosy be ho an’ny taranany sy ity tanindrazantsika ity izahay. Ekipa feno no tonga eto. Ahafahana manavotra sy manarina ity firenena ity dia tsara ho fantatra hoe inona marina no tena ilain’ilay vahoaka. Im-betsaka isika no tsy mahalala ny tokony atao fa zavatra hafa no tadiavin’ilay vahoaka nefa hafa no ataon’ilay fitondrana, hoy hatrany i Siteny. Nahitsy izy niteny fa tsy mamoaka datim-pifidianana ny mitondra amin’izao fotoana satria matahotra izy ireo .Tsy nanadino niresaka Jirama ihany koa i Siteny sy ny ekipany ary nanambara fa mila manana angovo azo antoka isika raha te hamaha ny olan’ny delestazy sy ny rano ary ambarao mazava hoe iza ny olona mpangalatra ao amin’ny jirama ao , hoy hatrany nyresaky ny Mihava Tour tany Nosy be.Nitsidika ny Nosy Komba sy Ambanja ihany koa ny Mihava Tour ny faran’ny herinandro teo
. J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.