Serge Zafimahova

“Tokony mba hangiana ny HCC!”


  • Alatsinainy 02 Oktobra 2023

Ny tany tan-dalàna no miantoka ny fampandrosoana ny firenena iray, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena,

Serge Zafimahova. Noho izany, hoy izy, tokony hanana fanetren-tena ny mpikambana omaly sy anio eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC, mba hangiana satria raha milomano ao anatin’ny tany tsy tan-dalàna i Madagasikara dia noho ny fanapahan-kevitra samihafa noraisinareo. Mazàna ny fanapahan-kevitra noraisinareo dia tsy manaja ny tany tan-dalàna sy tsy nametraka arofanina mba hisian’ny firenena tsara tantana. Izany dia noho ny fiarovana ny tombontsoa manokana sy ny fanapahan-kevitra politika tsy ara-drariny sy tsy manaraka ny lalàna izay viravirainareo no mahatonga an'i Madagasikara ho lasa repoblika sadasada tsy mitombona na “république bananière”. Raha ianareo mpikambana nifandimby tao amin’ny HCC no nampanaja ny tany tan-dalàna tsy mitanila, izay hany fanilo tokony manazava ny fanapahan-kevitra teo aminareo, efa mba nandroso kokoa ny firenena ary voafehy ny fihoaram-pefin’ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna. Tsy mila mitaky ny fahamarinana sy ny zo fototra any amin’ny arabe ny vahoaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT