Politique

Serge Zafimahova “Tokony hohalavaina ny fotoam-piasan’ny Ben’ny tanàna”


  • Alarobia 31 Jolay 2019

Araka ny fanazavana nentin’Atoa Serge Zafimahova, dia tsy tokony hatao ny fanendrena PDS, fa halavaina ny fe-potoana hitantanan’ireto Ben’ny tanàna am-perinasa ireto.

 

 

 

 Hovaina ny lalàmpanorenana sy ny loabary an-dasy, ka ny raiamandreny ao amin’ny FFKM sy ireo rantsa-mangaika eto amin’ny tany sy ny firenena no mitarika izany, handinihana  io lalàmpanorenana sy ny fanitarana ny asan’ny mpitantana ny tanàna io, hoy hatrany ny fanazavany.

                                          Famelabelarana ifotony

Mikasika ny rafi-pampianarana niova indray dia tokony hisy ny “débat au fond” handinihana io fampianarana io, fa lasa potika tanteraka sy lasa kitoatoa ny fomba hitantanana ny fampianarana. Nambarany, fa efa simba ny fampianarana tamin’ny fitondrana tetezamita, dia nitohy tamin’ny fitondran’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina izany, dia izao dia mbola tadiavina hopotehina ihany koa, hoy izy. Milà fahamatorana ary tsy atao andrana fa mamotika ny firenena izao fanovana ny rafi-pampianarana izao.  Ny mpampianatra fram no lasa maro any amin’ny tontolo ambanivohitra, fa ny 95 isan-jaton’ny “titulaire” dia mivangongo eto an-drenivohitra fotsiny.

 

Sitraka r.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT