Misy ny karazana olana sy ny disadisa eny anivon’ny fiarahamonina. Tokony horavana tanteraka anefa ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na ny CFM fa tsy mahavaha olana sy ny disadisam-piarahamonina io rafitra iray io.
Nambaran’atoa Serge Zafimahova, fa tsy ankatoavin’ny avy amin’ny faritra ireo mpikambana ao amin’ny CFM ary na ny fomba nanendrena azy ireo koa aza tsy ara-dalàna. Araka ny fanazavany hatrany, mila apetraka ny rafitra tena izy amin’ny maha fampihavanam-pirenena azy. Ilaina ny fanorenana ifotony ka hanatanteraka loabary an-dasy ny fitondrana, miainga eny anivon’ny fokontany, vao afaka mametraka ireo rafitra tokony hapetraka, hoy hatrany ny fanazavana.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.