Politique

Serge Zafimahova “Mila ravana ny CENI !”


  • Alakamisy 29 Septambra 2011

Vondrona politika miisa folo no niara-nanao sonia ny sori-dalana ka 8 amin’izy ireo miara-dia amin’ny FAT.

 Araka ny fahitan’ny Club Développement Ethique na ny CDE azy dia tsy tokony ho amin’ireo valo miara-dia aminy ireo ny filohan’ny FAT no hisafidy izay ho praiminisitra fa amin’ireo vondrona roa hafa. Miankina indrindra amin’ireo avy ao amin’ny FAT amin’ny alalan’ny fampiharana ny sori-dalana ny hahazoana na tsia ny fankatoavana, hoy i Serge Zafimahova. Dingana voalohany amin’izany fampiharana izany, hoy izy ny fanendrena izay ho praiminisitra, avy eo izay ho mpikambana eo anivon’ny governemanta.4

Tsy milamina, araka izany, ny raharaha satria mbola hojeren’ny fiarahamonina sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny fanatontosana ireo, hoy ihany izy. Ankoatra izay, momba ny CENI dia tsy maintsy ravana izany, hoy i Serge Zafimahova. Olona manaraka ny baikon’ireo mpitondra fotsiny ny ao, hoy izy, hany ka tsy misy mandeha amin’ny laoniny ny zavatra rehetra. Tokony hahay hiala izy ireo rehefa mahatsapa fa tsy mahavita, satria niaiky ny tsy fahatomombanan’ny lisitry ny mpifidy ny CENI amin’izao fotoana izao. Noho izany dia tokony horavana sy soloina CENI vaovao tena mahaleotena.

 

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT