Tsy misy fitoniana eto, maro ireo zavatra tsy ahitam-bahaolana, miha ratsy ny toe-draharaha ary misy ireo mpiara-miasa amin’ny filoham-pirenena mandray fanapahan-kevitra hafahafa tena hitarika savorovoro.
Tahaka izany no fahitan’i Serge Zafimahova, mpandinika fiarahamonina sady mpahay toekarena ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana. Manahy tahaka ireo mpandinika maro izy fa hisy fanonganam-panjakana indray eto Madagasikara koa dia ho avy ny savorovoro. Mety amin’ny 2016 no hitrangan’izany, hoy i Serge Zafimahova raha tsy mahita vahaolana azo tsapain-tanana ny mpitondra fanjakana. Nahitsy ny teniny raha nilaza fa ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mihitsy no fototry ny olana manakorontana firenena amin’ny alalan’ny famoahany didy mandika tsotra izao ny lalàna velona. Zava-doza ihany koa, hoy izy ny fiovaovan’ny maro an’isa eny amin’ny antenimieram-pirenena vokatry ny fandikana vilana ilay andininy faha-72 ao amin’ny lalàmpanorenana izay milaza hoe : « Mandritra ny fe-potoana iasany, ny solombavambahoaka dia tsy afaka miova vondrona politika mba hiditra any amina vondrona vaovao, ankoatra ny anaran’ny vondrona izay nahavoafidy azy, raha tsy izany dia aongana. Raha misy ny fandikana ny an-dalana etsy aloha, dia ambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny sazy fanonganana. Ny solombavambahoaka voafidy ka tsy avy amina antoko iray dia afaka miditra ao amin’ny vondrona parlemantera araka ny safidiny eo anivon’ny Antenimiera… » . Tompon’andraikitra amin’io fandikana vilana nitarika savorovoro io ny HCC, hoy i Serge Zafimahova. Vahaolana aminy ny firosoana amin’ny filazana ny marina, ny fifamelana, ny fampihavanana ary ny firosoana amin’ny fanorenana ifotony ny repoblika. Tsy maintsy misy kosa anefa ny fifanarahana politika, hoy izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.