Tsy tokony hotanterahina aloha ny fifidianana kaominaly sy ny Ben’ny tanàna, hoy i Serge Zafimahova avy amin’ny vovonana Dinike, fa ny fifidianana lalàmpanorenana aloha no tokony hatao voalohany,
mba hialana sy/na hisorohana ny olana mety hiverimberina eto amin’ny tany sy ny firenena. Tokony hapetraka mazava tsara aloha ireo fepetra rehetra ary ny fitsipi-dalao izay vao miroso amin’io fifidianana io. Tokony hiainga eny ifotony eny anivon’ny fokontany ny fampihavanampirenena, izay ilay atao hoe loabary an-dasy, izay vao idirana ny fifidianana. Saika natao tery vay manta mantsy ny referadaoma farany teo ho fanitsiana na/sy fanavaozana ny ampahany tamin’ny lalàmpanorenana, saingy, tsy tontosa iny. Dikan’izany, tokony hanorina ny eny ifotony aloha izay vao miroso amin’ny fifidianana kaominaly.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.