Politique

Serge Imbeh Jovial «Aoka ianao hitandrina Andriamatoa Filoha »


  • Talata 18 Jolay 2023

Isan’ireo nitondra setriny taorian’ny fandaharana manokan’ny Filoha Andry Rajoelina ny Kandida ho filoham-pirenena tamin’ny 2018 Atoa Imbeh Serge Jovial,

izay naneho fa matoa miteny dia te hanana ny tsara. « Aoka ianao hitandrina Andriamatoa Filoha amin’ny manodidina anao satria 70%-n’ny antontan’isa izay navoaka dia tsy marina avokoa. Tsy misy « fake site » tompoko ny Banky Iraisam-pirenena, fa ireo antontan-kevitra, hoy izy. Manam-pahaizana ara-toekarena ary tsy vaovao amin’ny tontolon’ny rafitra ara-bola iraisam-pirenena moa no miresaka eto. Nahitsy ihany koa izy nilaza fa tsy tokony hafangaro ny “origine” na fihaviana sy “nationalité” na zom-pirenena. Barack Obama tompoko dia fa taranaka Kenianina fa tsy manana zom-pirenena afatsy Amerikanina, ary jereo ny famaliana nataony Barack Obama an’i Donald Trump momban’io resaka io. Ho an’i Nelson Mandela indray dia tsy voafaritra ao anaty lalana velona misy ao Afrika Atsimo ny fanana zom-pirenena 2 na 3, fa ny antsika gasy dia mazava tsara. Mikasika ny fianarana any ivelany, afaka manao « renouvellement titre de séjour» isan-taona ny mpianatra rehefa mbola hanohy fianarana ary misy vokatra tsara. Ary tsy tokony hafangaro ny « naturalisation » sy « filiation ». Mikasika ny Jirama kosa, misy vahaolana fa tsy raisina izany, ary aoka ny minisitera tompon’andraikitra mba hijery fa efa ao amin’izy ireo ny vahaolana izay naroso. Tahaka izany ihany koa ny lavanila, izay misy vahaolana ka tokony hahay handray soson-kevitra, ary misy ihany koa ny fitohizan-draharaham-panjakana. Nahitsy io manam-pahaizana io nilaza fa tsy mahadiso ny miteny ny fotodrafitrasa izay notokananao kanefa kosa aza hadino fa nisy ezaka izay vita teo aloha toy ny làlana Ambilobe – Vohemar,… Eo ihany koa ny fandraisana ohatra ao Afrika mikasika ny “inflation” na sondro-bidim-piainana. Tsara marihina ihany koa dia tokony atao « corrélation » miaraka amin’ny « taux de croissance » izy io fa tsy raisina fotsiny amin’ny singany. Niantso ny tsy hampiasana ny tafika ho fitaovana politika ihany koa mo izy. Momba ny fifidianana, nokianiny ny nanamafisan’ny Filoha fa tsy mila mandalo filan-kevitry ny minisitra ny fanapahan-kevitry ny governamanta mikasika ny fifidianana, ka anisany ilay anto-bola 200 tapitrisa Ar. Ketraka ny Tena satria nisy ny fanitsiana ny loi organique 2018-09 sy 2018-08 mikasika ny adininy vitsivitsy anisan’izany io anto-bola io 1400 miliara no nambara fa hanohanana ny JIRAMA ary izay 80 miliara Ar ve dia tsy ho hitan’ny Fanjakana hikarakarana fifidianana ka ny mahagaga dia ny mbola angatahantsika Basket Fund raha manana io vola io isika ? Maninona no tsy tonga dia nosoratana manontolo tao LFI rehefa tsy nanao LFR ihany kanefa samy miankina amin’ny PTF? Niantso ny depiote sahy hiteny ny marina amin’ny Filoha Atoa Serge Imbeh Jovial fa tena mijaly. Niantso hatrany ny tsy hadinoana ny manavaka ny maika na “urgent” sy zava-dehibe na “important”,…
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT