Politique

Séraphin Randriamanantena, mpitandrina “Mila manova laharam-pahamehana ny mpitondra”


  • Zoma 07 Oktobra 2022

Misy ny mpanabe ara-panahy, hoy ny tonian’ny SAMPATI Foibe FJKM, Séraphin Randriamanantena, mpitandrina. Misy ny mpanabe ara-tsaina, hoy izy, ary misy ny ara-batana.

Raha miresaka sekoly isika dia mazava fa mpanabe ara-tsaina izany. Isaorana an’Andriamanitra fa efa misy koa sekolim-pinoana izao mahakasika fanabeazana ara-panahy. Misy fanabeazana ara-batana dia ny taranja fanatanjahantena koa ny sekoly. Amin’ny maha mpanabe ny tenanay eo anivon’ny fikambanana sy fiangonana dia mahita izahay fa ny sehatry ny fanabeazana ankapobeny eto Madagasikara dia tsy tena laharam-pahamehana. Diso tanjona isika. Raha mijery fotsiny, ohatra, ny tetibola laniana amina karazana famatsiana fitaovam-piadiana sy ny fanabeazana dia be lavitra ilay voalohany mitaha amin’ny fanabeazana. Tahaka ny ahoana moa ny karaman’ny mpampianatra eto Madagasikara? Tahaka ny ahoana ny fangatahany sy fotoana hamaliana izany ho azy? Isany iray izay nefa raha izay manokana dia resy lahatra hoe raha te hanova dia tsy bala no vidiana fa fanabeazana. Tenin’I Nelson Mandela hoe ny fanabeazana no fitaovam-piadiana mahery vaika indrindra. Io no afaka manova izao tontolo izao sy ny firenena raha ampiasaintsika araka ny tokony ho izy. Rehefa ny tahotra vokatry ny fanabeazana toy ny hoe tahotra manaja, tahotra ny fitaizana noraisina, tahotra ny fianarana noraisina no tahotra hananantsika dia hiova ny zava-drehetra. Matahotra manary fako eny an-dalana aho, ohatra, satria misy fiantraikany amin’ny fahasalamako izany na amin’ny tontolo misy ahy fa tsy hoe satria misy polisy na mahavoasazy handoa 10.000 Ariary. Rehefa tsara ny fanabeazana dia manefy olona vanona. Izany, ohatra, ny anay skoto. Seha-pibeazana miisa 6 ny an’ny skotisma dia ny ara-tsaina, vatana, fanahy, fiarahamonina, fihetseham-po, moraly na etika. Mila manova laharam-pahamehana ny mpitondra hoe mpitondra mifantoka tanteraka amin’ny sehatry ny fanabeazana. I Madagasikara dia firenena natokana hamokatra na “à vocation agricole”. Ny lafiny fambolena sy fiompiana ary fanabeazana ihany raha te hampandroso ity firenena ity, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT