SERA Na Sehatry ny Raiamandreny

« Andao hiroso any amin’ny dingana fanasitranana ny Firenena »


  • Zoma 28 Febroary 2025

Nitondra hafatra lehibe sy làlan-jotra ho fisitranana sy fanasitranana ny Firenena

miantefa amin’ny olom-pirenena ny SERA (Sehatry ny Raiamandreny) ahitana ny Praiminisitra teo aloha Charles Rabemananjara, ny Filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha Rtoa Christine Razanamahasoa, ny mpitsara Iraisam-pirenena teo aloha Pr Raymond Ranjeva, ny Pr Yvette Rabetafika, ny Mpitandrina Randriamisata Roger, Atoa Razafiniarivo Fidison, Atoa Andrianirina Laza, Atoa Mara Edouard,… Naneho fa miroso amin'ny dingana manaraka ka hisarika ny sain'ny olompirenena tsirairay handinika ny fahasimban'ny fahatsiarovan-tsaina, ny finiavana ny hanao ny tsara ary ny fiainana ny fihavanana izay sedrainy amin'ny mahaolona azy. Lalan-kizorana aroson’izy ireo ny fanarenana mifantoka amin’ny fifampitondran'ny samy malagasy, ny fifandraisana amin'ireo teratany sy firenena vahiny, ary ny fampanjariana ny tontolo iainan'ny malagasy, toy ny fiarovana ny tany sy ny harena raketiny. Manaika sy manainga ny Malagasy tsy an-kanavaka ny SERA mba hanamafy ny fahatsapana fa eto Madagasikara no misy sy ho avin’ny taranany. Naneho fa mitaky fiaraha-mientana sy ezaka lehibe izany ho amin’ny fisitranana sy fanasitranana ny firenena. Antso izay mifanaraka amin’ny hafatra manan-danja avy amin’ny Raiamandreny am-panahy sy ireo Filohan’ny Fiangonana no ataon’ny SERA. « Tsapanay fa manandanja tokoa ny andraikitry ny Raiamandreny sy ireo mpanabe manoloana ny fiainam-pirenena araka ny voalazan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara tamin'ny fanambarana miezinezina nataony ho fampaherezana ny Mpiray tanindrazana. Manamafy izany ny hafatry ny Komity Foiben'ny FFKM tamin'ny 5 desambra 2024 izay nampahatsiahy ny fotokevi-dehibe iorenan'ny fiarahamonina malagasy dia ny fihavanana sy ny fahamarinana. », hoy hatrany ny SERA. Nifanojo indrindra ihany koa tamin'ny fanambarana nataon'ny Symposium des Conférences Episcopales d'Afrique et Madagascar (SCEAM) izay nanindry manokana ny hirosoan'ny firenena aty Afrika marofin'ny ady sy herisetra ary ny tsy fahamarinana amin'ny fisitranana sy fanasitranana. Efa maro, hoy izy ireo, ny fomba natao hamahana ireo olana sy fahasahiranana eto amin’ny firenena, na tamin’ny alalan’ny fifidianana na tamin’ny fampihavanam-pirenena, kanefa dia mbola mitoetra ny olana, ary vao mainka aza mihamafy, mampihena ny firaisankina eo amin’ny fiarahamonina. Na izany aza, mbola mitoetra ny fanantenana, hoy ny SERA.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT