Politique

Sendikan’ny mpiasa Hanatevina ny tolona eny amin’ny kianjan’ny 13 mey


  • Alatsinainy 30 Aprily 2018

Ho avy hanatevina ny tolona etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey sy ny hetsika tanterahin’ireo solombavambahoaka 73 mianadahy ny sendikan’ny mpiasa tsy an-kanavaka.

Tamin’izao fitondrana mijoro izao mantsy no tena nahatsapan’izy ireo fa mafy loatra ny fanenjehana ireo sendikan’ny mpiasa nefa dia fiarovana ny zon’ny mpiasa Malagasy no nataon’izy ireo. Tsizarizary ny karama raisina isam-bolana, hoy ireo sendika izay  tonga nanao fanambarana tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ny sabotsy teo. Manjaka ihany koa ny jadona sy ny tsindry ary ny fanararaotam-pahefana, hoy hatrany izy ireo, antony manosika azy ireo tsy maintsy hihetsika. Ho an’ny sendikan’ny mpiasan’ny fadintseranana manokana na ny SEMPIDOU dia nambaran’ny filohany  Andrianavalona Herizo fa ho avy etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey izy ireo manomboka anio alatsinainy. Ankoatra izay dia miantso ireo mpiasa rehetra tsy an-kanavaka ihany koa ny tenany mba tsy hatahotra intsony ka ho avy hilaza ny maharary azy rehetra etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey  rahampitso talata 1 mey hankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asa. Ho azy ireo manokana moa dia tsy hisy hiasa any amin’ny birao intsony ny SEMPIDOU manomboka ny alarobia 2 mey ho avy izao. Anisan’ny tena takian’ny mpiasa rehetra amin’izao hetsika izao moa ny hanomezana azy karama mahavelona izao dia izao. Filaharam-be miainga eny Mahamasina no hisantarana izany rahampitso  maraina.


Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT