Politique

Sendikan’ireo teknisianina ambony Miketriketrika ny toerana horaisiny koa


  • Talata 11 Oktobra 2011

Raha mbola sahirana amin’ny fifampifilafilana sy fivezivezena etsy sy eroa ny tontolo politika momba ny fampiharana ny tondrozotra dia namoaka fanambarana milaza ny tsy fandehanan’ny raharaham-pirenena ny fiombonamben’ny sendikan’ny teknisianina sy mpiasam-panjakana ambony izay ahitana sendika 17.

Ho azy ireo dia variana mifanilika sy mifanditra ny samy mpanao politika kanefa tokony samy hanana anjara andraikitra amin’ny fitantanana ny tetezamita ny hery rehetra ahitana ny teknisianina, ny fiarahamonim-pirenena, ny raiamandreny, ny vondron’ny mpandraharaha ary ny miaramila. Nohitsian-dRakotonarivo Thierry, filohan’ny SYNAD (sendikan’ny administratera sivily) fa tsy afa-miala amin’ny raharaham-pirenena ny miaramila na dia misy milaza izy ireo fa anjaran’ny politika no mitady vahaolana amin’ny krizy politika. “Toa rehefa metimety amin’izy ireo ve dia mandray anjara ny foloalindahy satria nihaona tamin’i Andry Rajoelina sy ny solontenan’ny Troika teto izy ireo tamin’ireny fotoana nialoha nanaovana sonia ny tondrozotra ireny”, hoy izy nametra-panontaniana.

Nilaza kosa ny filohan’ny SECES (sendikan’ny mpampianatra mpikaroka) Rasoamiaramanana Armand fa ny fitanan’ny teknisianina ireo andraikitra goavana no hitondra fitoniana sy filaminana eto amin’ny firenena. Ny teknisianina ihany mantsy, hoy izy no afaka miantoka fifidianana madio izay andraikitra tokony hosahanin’ny fitondrana tetezamita. Manao antso avo amin’ireo sokajin’olona sy tomponandraikitra rehetra, araka izany, ny fiombonamben’ny mpiasam-panjakana ambony mba hampandefitra ny hambom-po sy ny kajikajy manokana ka hahay hifampihaino sy hifandinika ahafahana mametraka lamina matotra hampiharana ny tondrozotra. “Apetraka ao anatin’ny fotoana fohy ny rafitra sy andrimpanjakana mahomby tsy miandany sy ekena ary iarahan’ny rehetra kanefa mialoha izany dia mila faritana mazava ny faharetan’ny vanimpotoan’ny tetezamita, ny tetiandrom-pametrahana ireo rafitra ary ny anjara andraikitry ny andrimpanjakana tsirairay.

Torak’izany koa ny toetoetry ny olona hitantana ao anatin’ny tetezamita”, hoy ny santionany amin’ilay fanambarana navoakan’izy ireo. Tsy hitazam-potsiny intsony ihany koa anefa ny fiombonamben’ny Mpiasam-panjakana ambony fa hiteny hatrany amin’ny tsy fandehanan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny adilahy politika ary mandrahona ny handray andraikitra mihitsy aza izy ireo raha toa ka mbola manao bemarenina ny mpanao politika. Mitranga izany rehetra izany amin’izao ankatoky ny fananganana tetezamita iaraha-mitantana izao, ka mahatonga ny mpanara-baovao hanamarika fa miketriketrika ny toerana horaisiny koa ireo mpiasam-panjakana ambony. Marihina fa vao tsy ela ny sendikan’ny mpitsara sy ny filankevitra ambonin’ny mpitsara no nanao fanambarana niraisana fa tokony ho olona atolotr’izy ireo no tendrena ho minisitry ny fitsarana.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT