Raha niasa nangina talohan’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany dia nanambara ankehitriny ny Dr Ndatason Frédéric, filohan’ny Sendikan’ny dokotera mpiasam-panjakana (SMEDFM) fa manohana 100% ny Dr Robinson Jean Louis izy ireo. Fifanentanana tamin’ny alalan’ny SMS no efa nataon’ny samy dokotera mpiasam-panjakana sady nanamafisana ny firaisankina, ary ao anatin’ny fanamafisana ny paikady hahatongavana amin’ny tanjona izy ireo ankehitriny araka ny fantatra.
JD
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.