Politique

Senatera Ramanambintana Richard « Tsy mety intsony izany fitondrana tetezamita izany »


  • Zoma 20 Janoary 2023

Tsy mety eto amintsika intsony ny Fitondrana tetezamita hoy ny senatera Ramanambintana Richard omaly. Efa tena sahirana ny vahoaka hoy

izy no sady efa leo korontana ka tsy tokony hampahoriana amin’izany intsony. Ny fandehanana mankany amin’ny fanatanterahana ny fifidianana tena izy sy eken’ny rehetra araka izany no tena vahaolana hoy hatrany ity senatera ity. Nisy araka izany omaly ny antso avo nataony tamin’ireo olom-pirenena rehetra sy ny mpikambana ao amin’ny IFI izay tarihiny mba samy ho avy hijery ny anarany ao anaty lisi-pifidianana eny anivon’ny Fokontany ka hanamarina izany. Ny hafahafahan’ireo feno 18 taona rehetra mandray anjara amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena ihany mantsy hoy izy no hany lalan-tokana hialana amin’ny fitondrana tetezamita. Nisy omaly ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2023 notanterahin’ireo mpikambana eo anivon’ny IFI. An-jatony ireo tonga nanotrona izany toy ireo mpanasa lamba, ireo vehivavy sahirana, ireo fikambanana maro samihafa….Tsiahivina moa fa anisan’ny miasa mavitrika ho amin’ny fijerena ireo olona sahirana eto amintsika ihany koa ny fikambanana IFI.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny IFI omaly teny amin’ny Espace Dera Tsiadana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT