Nahitsy ny tenin’ny senatera Lanto Rabenatoandro raha nandray fitenenana nandritra ny hetsika nataon’ny vahivavy TIM tao amin’ny Magro Avaratsena Antsirabe ny sabotsy 08 oktobra teo.
Nolazainy fa vaky ny ady eo amin’ny TIM Ravalomanana sy ny TIM mpamadika tarihin-dry Raharinaivo sy ry Yves Aimé Rakotoarison. Nanafatra mihitsy izy hoe : “midina aty Antsirabe ianareo mba mitsapa ny herinareo milaza fa TIM ireo ka mamoria ny TIM sy ny vahoakan’Antsirabe raha toa ka mahazo olona !”. Nolazainy koa fa aleo miady hevitra sy mifandresy lahatra amin’ny Antoko fantatra fa tsy mitovy firehana amin’ny tena toy izay hiresaka amin’ny mpamadika tahaka ireo. Nolazainy fa ho sahirana ireo nisintaka ireo rehefa mipetraka ny tetezamita tena iraisana satria sady tsy voaray any amin’ny ankolafy Ravalomanana no tsy hisy handray intsony koa. Hatramin’izao mantsy tsy azo akory izay fankatoavana notadiavin’i Andry Rajoelina tamin’ny nampidirana an’ireo tao hatramin’izay. Nambaran’Atoa Lanto Rabenatoandro koa fa tsy vita ny dingana amin’ny fanatanterahana ny tondrozotra raha tsy voatendry ny Praiminisitra iraisana sy mipetraka ireo rafitra ifanarahana. Midika izany, hoy izy, fa mitohy ny tolona mandra-pipetrak’ireo rafitra rehetra ireo.
Caïus R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.