Nanao fanentanana mikasika ny karama farany ambany ny SEKRIMA mba hahatongavantsika amin’ilay “asa mendrika”, araka ny tafa nifanaovan’ny sekretera jeneraliny Boutoudi Remi Henri tamin’ny mpanao gazety omaly.
133.400 Ar isam-bolana no tokony ho karama farany ambany raisin’ireo mpanampy eto amintsika amin’izao nefa mbola betsaka ireo mpampiasa no miziriziry tsy mety mandoa an’io. Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny ezaka nataon’izy ireo tamin’ny fanatanterahana ilay fifanarahana iombonana eny anivon’ny orinasa. Ny mpiasa no manolo-kevitra ao anatin’izany raha ny mpampiasa kosa no mandrindra ny fifanakalozan-kevitra hahafahana mametraka ny tombontsoa iombonana hahatongavana any amin’ilay “asa mendrika”. Lasa hamaivanin’ny mpampiasa mantsy ny fisian’ity farany, hoy hatrany ny SEKRIMA. Tanjon’izy ireo ny hisian’ny mpiasa tonga manatona ny sendika mba hitadiavana ny marimaritra iraisana, ny fisian’ireo mpampiasa tsy manakatom-baravarana sy hijery ny zo maha olona ankoatra ny fametrahan’ny fanjakana paikady mazava hahafahana mampiakatra ny toekarentsika. Asa notanterahin’izy ireo tamin’iny taona 2013 iny avokoa moa izany rehetra izany izay nofintininy tamin’ny mpanao gazety omaly tetsy Behoririka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.