Sekretariam-panjakana

Raikitra indray ny fanangonana « CV »


  • Alatsinainy 05 Febroary 2024

Iraka ampanaovina an’ireo ny fanafainganana ny tetikasa ambara fa manan-danja

hanafainganana ny fanatanterahana ny vina ho an’ny fampandrosoana, raha ny serasera mandeha. Raha no voafaritra hatrany am-boalohany, dia mety ho tafakatra hatrany amin’ny 11. Mbola eo am-pitadiavana an’izay olona hapetraka amin’io indray ny Fanjakana, ka amin’ny alalan’ny tambajotra Linkedln an’ny Fiadidian’ny Repoblika indray no hahafahana mandefa ny antontan-taratasin’ireo izay maniry ireo toerana. Tamin’ilay fanendrena mpikamban’ny governemanta farany teo anefa dia voalaza fa 500 ny « CV » voaray ! Olona manodidina ny 20 ka hatramin’ny 25 eo no mandrafitra ny departemanta iray. Mason-tsivana amin’izany ny fitiavan-tanindrazana, fahintsiana, fahaiza-manao amin’ny fitantanana tetikasa. Handalo fitsapana sy tombana ataona « cabinet et experts » izy ireo, ary handalo fanadihadiana amin’ny Filoham-pirenena. Midika hatrany aloha izany, fa tsy nivonona tamin’ny fitondrana, fa ny naka fahefana no nahamaika, ka ny ekipa hiaraka hanatanteraka ny vina sy programa, izay tsy dia lojika loatra raha tena olona nivonona hitondra Fanjakana izay tokony ho vonona ara-poto-kevitra, arak’olona, ara-programa,… Voalaza moa fa handray anjara ihany koa amin’ny filankevitry ny minisitra raha misy zavatra mahakasika ny departemanta iadidiany. Mbola miandry « CV » indray aloha izany fanendrena an’ireo, fa ny tena fanontaniana mipetraka dia ny hoe : tsy hiteraka fifangarihana eo amin’ireo minisitra ve ny fametrahana an’ireto ? Tena ilaina ve ny fananganana rafitra maro eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika hanatanteraka ny asa tokony hataon’ny governemanta ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT