Politique

Seho ivelany ilazana fa mitsinjo vahoaka Nizarana fanomezana ireo mpivarotra nisiotsioka


  • Alarobia 28 Desambra 2022

Mitohy ny fakana ny fon’ireo mpivarotra etsy amin’ny Petite Vitesse. Taorian’ny filazana fa mahazo mivarotra izy ireo hatramin’ny 1 janoary,

dia nisy indray ny fanomezana avy amin’ny Filoham-pirenena. Mba ahafahan'ireo mpivarotra ao amin'ny miatrika ny faran'ny taona sy ny taom-baovao am-pilaminana no nambara fa antony, ka tonga nizara izany ny solontenan'ny Filoha Andry Rajoelina dia ny Talen’ny Seraseran’ny Fiadidian’ny Repoblika Rtoa Lova Ranoromaro. Taorian’ny siotsioka sy horakoraka nahazo ny Filoham-pirenena teny an-toerana moa no nanaovana izao fihetsika izao, raha toa ka nanomboka ny volana septambra no tsy navela hivarotra ireo mpivarotra amoron-dalana. Nihemotra tamin’ny fanapahan-keviny hatramin’ny kaominina. Nahazo tombony roa sosona izany ireo mpivarotra tsy ara-dalàna etsy amin’ny Petite Vitesse, ka sady mahazo mivarotra no mbola nahazo fanomezana ihany koa. Asa hoe: volan’ny Filoha madiodio ve no nividianana an’ireny sa volam-panjakana? Hetsika tsongatsongaina amina sokajin’olona vitsivitsy tahaka ireny ve sisa no paikady hoenti-maneho an-tserasera fa mitondra vahaolana ho an’ny sosialim-bahoaka ny Fanjakana volomboasary? Inona no mason-tsivana ahafahana misitraka fanampiana tahaka ireny satria mba samy sahirana ihany koa ny rehetra raha hoentina amin’izany? Mba ahoana ny hafa? Tsara ny manome, kanefa ny zavatra tena andrasan’ny olona dia ny fivahan’ny olana ara-tsosialy mahafaoka ny daholobe fa tsy seho ivelany sy haingo ambony tsikoko atao amina ampahan’olona. Tsy mahavaha olana fa endrika propagandy ny tahaka izao, fa ny andrasan’ny rehetra dia ny fifehezana ny vidim-piainana, fampiakarana ny fahefa-mividin’ny olona, fivelaran’ny famoron’asa, fampiakarana ny harin-karen’ny firenena,… Efa adihevitra lehibe moa ny famelana ireo mpivarotra izay misy ny milaza hoe: aleo izy ireo hivelona sy hitady vola sa ianareo no hanome asa ho azy? Ankilany ihany koa anefa, maro no maneho fa ny fanomezana vahana ny gaboraraka sy tsy ara-dalàna tahaka izao no isan’ny tsy mampandroso ny firenena. “Raha hoentina tahaka izany dia aleo ihany kao ny fiara tsy misy patanty hiasa, aleo ihany koa ny zaza tsy ampy taona hivaro-tena, aleo ihany koa ny mpanondrana volamena anao ny ataony,… fa samy tsy fanarahan-dalàna ihany ny anaran'izany”, hoy ny fanehoan-kevitra ny olom-pirenena sasany, izay naneho fa ny fisainana tia gaboraraka ohatr’izany no maha fadiranovana ity firenena ity. Lasa atao fitaovana ny hoe sahirana dia aleo tsy hanara-dalàna.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT