Politique

Sehatra iraisam-pirenena Manindry mafy mba hisian’ny fifampiresahana


  • Talata 24 Aprily 2018

Nihaona tamin’ny filoha Rajaonarimampianina teny Iavoloha omaly ny masoivohon’ny vondrona Afrikanina eto Madagasikara Rtoa Hawa Ahmed Youssouf , sy ny solontenan’ny sampandraharahan’ny firenena mikambana Rtoa Violet Kakyomya .

Mazava ho azy fa votoatin-dresaka ny krizy mitranga eto amin’ny firenena amin’izao fotoana sy ny fikarohana izay mety ho vahaolana amin’izany. Manindry mafy ny amin’ny hirosoan’ireo mpifanandrina politika ain’ny dinika an-databatra boribory, hifampiresahana ka hikarohana ny marimaritra iraisana ny sehatra iraisam-pirenena ary tsy mankasitraka ny fampiasan-kery.Namoaka fanambarana mahakasika izany indrindra ny firenena Mikambana omaly izay miantso ny fahatsiarovan-tenan’ny mpanao politika ,ary  milaza ihany koa fa tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana no vahaolana ary mbola manindry mafy fa manohana an’i Madagasikara mba hahavitana ny fifidianana filoham-pirenena amin’ity taona ity.Mampatsiahy ireo mpanao politika ny andraikitr’izy ireo amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fanajana ny zon’olombelona ny firenena mikambana, araka ny fanambarana ofisialy navoakany omaly ary nanizingizina fa tsy ekena ny vono olona na ny fandratrana olona noho ny tsy fitovian-kevitra ara-politika, na inona na inona ambara.Mila matotra amin’izay ny mpanao politika, miresaka ao anatin’ny fifaanajana mba hametrahana fitoniana hiatrehana ny fifidianana ho avy ; fifidianana malalaka, mangaraharaha ary eken’ny rehetra.Eo anilan’i Madagasikara hatrany ny firenena mikambana sy ireo mpiara-miasa aminy, hoy ny fanambarana ary manantena fa hanaja ny demokrasia sy ny zon’olombelona no sady hampihatra ny fahendrena fonoson’ny fihavanana ny vahoaka Malagasy mba hitandroana hatrany ny filaminana ho fanohanana ny asa fampandrosoana ny firenena.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

Hijery ny tohiny
FTT