Sehatra iraisam-pirenena

> Fahanginana hafahafa


  • Zoma 10 Janoary 2014

Mandinika fotsiny aloha !

Mangina tsy miloa-bava ny fianakaviambe iraisam-pirenena manoloana ny hosoka sy hala-bato niseholany nandritra ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa sy ny fifidianana solombavambahoaka notontosaina ny 20 desambra 2013 lasa teo. Inona no antony ? Inona no fonosin’izany fahanginana izany ? Raha nivoaka ny tetiandrom-pifidianana izay niarahan’ny CENI-T sy ny Firenena Mikambana namaritra dia nilaza ny sehatra iraisam-pirenena fa tokony hohajaina io ary atao ny ezaka rehetra hahatanteraka ny fifidianana. Nandeha ny fampielezan-kevitra, nilamina hoy ny sehatra iraisam-pirenena. Tontosa ny fifidianana fihodinana voalohany sy ny vokatra nanaraka azy, nilamina azo ekena, hoy ny sehatra iraisam-pirenena. Roso ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka, arahabaina ianareo Malagasy fa tena nahavita fifidianana tao anatin’ny filaminana, hoy ny sehatra iraisam-pirenena. Maro be ny fitarainana momba ny hosoka sy hala-bato, io fa mangina ny iraisam-pirenena, na niteny kely fotsiny hoe : andraso aloha izay hambaran’ny CES fa io no rafitra ara-dalàna miandraikitra ny fanadihadiana rehetra. Anisan’ny miantoka ny fanaovana fifidianana mangarahara, azo antoka ary eken’ny rehetra anefa ny  iraisam-pirenena. Tena azo antoka fa tsy hitsipaka na handa izay didy havoakan’ny CES ny sehatra iraisam-pirenena, satria izy no tompon-kevitra tamin’ny fananganana io rafitra io, araka ny tondrozotra. Mandeha ny feo fa efa misy ny kandida andrian’ny fon’ny sehatra iraisam-pirenena, ka na inona na inona fitoriana sy fitarainana atao eo dia efa io kandida io no hivoaka mpandresy amin’ny valim-pifidianana ofisialy hambaran’ny CES.

Ny Malagasy moa manam-paharetana sy be finoana izay, mora mionona koa anefa amin’ny fotoana sasany…ka asa ny mety hitranga marina. Tsy hiasa saina firy fa tonga dia hanamafy ny vokatra navoakan’ny CENI-T ve ny CES ? Nandinika ireo fitarainana ka nahatsapa hala-bato marina ve ny CES ka hanambara fa averina ny latsa-bato any amina biraom-pifidianana maromaro ? Midika izany fa tsy mbola misy voka-pifidianana ofisialy. Sa ve sarotra ny fanapahana ka hilaza ny CES hoe averina manontolo mihitsy ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa ? Tsy dia mampino loatra anefa ity safidy fahatelo ity satria ireo mpamatsy vola mahazatra dia efa milaza fa ho avy hijery ny zava-misy sy hanao fanadihadiana eto amin’ny volana febroary mba hahafahana mandinika ny famerenana ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Ny fahitana azy dia tsy te hisahirana firy intsony amin’i Madagasikara ny sehatra iraisam-pirenena ka manindry bokotra mafy amin’ny fametrahana filoham-pirenena faran’izay haingana. Dia ho hita eo indray ny atao avy eo.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

Hijery ny tohiny
FTT