Politique

Sefom-pokontany eny Ambohimanarina Hampitahorina tsy omena vatsy tsinjo, hoy ny depiote Todisoa


  • Alatsinainy 27 Martsa 2023

Fahombiazana tanteraka no azon’ny solombavambahoaka Todisoa Andriamampandry. voafidy tao anatin’ny

Boriborintany fahaefanina nandritra ilay hetsika fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2023 nokarakarainy ho an’ireo mpikatroka Tiako I Madagasikara teny Ambatolampy Ambohimanarina ny Sabotsy teo. Tsy tambo isaina ireo mpikambana eo anivon’ny antoko TIM tonga nanatrika izany toy ireo TIM zokiny nahitana an-dRaharinaivo Andrianatoandro niampy ireo avy any amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, Atsimondrano, Avaradrano, ny avy any Sainte Marie, ny teny anivon’ireo Boriborintany samihafa eto an-drenivohitra izay notarihin’ny solombavambahoaka nofidiany isanisany. Toraka izany koa ny avy any Antsirabe I, Arivonimamo…. Ho an’Ambohimanarina manokana dia nampitahorin’ny fanjakana tsy omena vatsy tsinjo ireo sefom-pokontany raha araka ny fanazavan’ny depiote Todisoa saingy tsy nahasakana azy ireo tsy nanatrika iny lanonambe iny izany. Tonga avokoa ireo sefom-pokontany rehetra miisa 31 ary mbola mampantena fa handrotsaka vato ho an’ny filoha Ravalomanana miaraka amin’ireo vahoaka ao aminy. Raha 70% izany teo aloha hoy depiote Todisoa dia hakarina ho 85% amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy io. Nezahin’ny sasany hoy ny depiote Todisoa izay tsy hahatontosa iny hetsika iny saingy vita soa aman-tsara tsy araka ny nanampoizan’ny sasany azy mihitsy. Tazana teny an-toerana avokoa mantsy ny solombavambahoaka TIM rehefa raha efa niely ny tsaho hoy izy fa nipatitaka izahay samy solombavambahoaka. Hanaovan’izy ireo angaredona araka izany io fitondrana mijoro io ka anisan’ny tanjony ny 1 er tour dia vita. Omby miisa 4 no novonoina tamin’izany ka voky daholo ireo vahoaka mpanotrona vao samy namonjy ny tokantranony avy.
Legende : Teny Ambatolampy ny sabotsy lasa teo
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

  • ZAZA RAMANDIMBIARISON
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Tsy tokony ho tara ny

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

Hijery ny tohiny
FTT