Manoloana ny fanehoan-kevitra roa lehibe mifanipaka mikasika ny voka-pifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka natao tamin’ny 20 desambra 2013 teo izay atahorana hiteraka savorovoro eto amin’ny firenena dia namoaka fanambarana omaly, teny Ankatso, ny Sendika ivondronan’ny mpampianatra sy mpikatroky ny fampianarana ambony na SECES izay tsy mitsahatra mitolona amin’ny fahalalahana, ny demokrasia ary ny fampandrosoana, fa vonona hiaraka hiasa mba hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao. Miombon-kevitra amin’ny vondron’olona rehetra mikatsaka ny mangarahara sy ny fahamarinana izahay, mitaky ny hanatanterahana ny fampitahana tsy ankamehana ny fitanana an-tsoratra (PV) eo am-pelatanan’ny CENI-T, CES sy ireo kandidà rehetra ary ny fanamarinana ny laharan’ireo biletà tokana nampiasaina sy ny tsy nampiasaina. Nambaran’ny Sekretera jeneraly, Rasolomampiandra Gilbert izay nitondra ny tenin’ny SECES omaly ry zareo izay mahatsapa ho vato nasondrotry ny tany, mahatsiaro ho manana adidy amin’ny firenena dia vonona ihany koa raha ilaina ny hanolo-tanana ny CES sy handray andraikitra mba ho fanajana izay tena safidin’ny maro an’isa mpifidy ary ahitana ny mangarahara marina.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.