Namoaka ny tatitra ankapobeny mikasika ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena.
Lohahevitra 4 mazava tsara no novelabelarin’ny Se.Fa.Fi tamin’izany dia ny jery todika politika, ny tatitra momba ny fifidianana, ireo asa sy andraikitry ny mpanara-maso Malagasy sy vahiny ary ny fomba fahitan’ity fikambanana ity ny ho fizotry ny fifidianana amin’ny 20 desambra 2013. Raha ny momba ny jery todika politika dia nihen-danja ny asan’izany atao filoham-pirenena izany, hoy ny Se.Fa. Fi. Porofon’izany ny isan’ireo kandida marobe nandray anjara tamin’ny fifaninanana. Tsapa fa mbola manjaka ny fampanantenana poak’aty momba ny famoronan’asa, ny karaman’ny mpiasa, ny fanamboaran-dalana na koa ny mikasika ny fampiasam-bola ary tsy hita taratra mihitsy ireo fandaharan’asan’ireo mpifaninana ho amin’izany toerana izany. Midika io fa tsy manana vinam-piarahamonina lavitra ireo kandida ireo satria mila fanomanana taona maro ny fanatanterahana izany. Tsy ny fihetsiketsehana tao anatin’ny herinandro vitsivitsy akory no ahafahana mitondra firenena. Tetsy an-danin’izay dia nahazo laka ny tontolon’ny fampisehoana ary nibahan-toerana teny ambony lapihazo ireo mpanakanto. Asa na izay angamba no famaritan’ireo kandida ireo ny atao hoe fitantanana ara-politika izany hoe : mampisongadina ny tena, miandrandra tehaka, mikabary sy manome toky nefa aty amin’ny farany dia tsy misy zava-bita.
Niraradraraka ny vola tamin’ny famatsiana ny fampielezan-kevitra izay nahatratra hatrany amin’ny miliara maro nefa tsy nisy tamin’ireo kandida no namoaka izany tany am-paosiny no tsy nilaza mazava ihany koa ny fiavin’ireo loharanom-bola ireo. Tsy mahagaga raha mieritreritra ny besinimaro fa vola maloto sy nanaovana antoka miafina tany ambadika ireo nampiasaina ireo. Na tsy voafaritry ny lalàna mazava aza ny famatsiam-bola momba ny fifidianana dia manana adidy ireo kandida hilaza ny fiaviana sy ny fomba entina ampiasaina izany amin’ny vahoaka. Tokony hijoro ihany koa ny fiarahamonim-pirenena hampahatsiahy matetika ny momba io resaka io. Nanantena ny fiovana teo amin’ireo mpanao politika Malagasy sy ny fomba fitantanana ny firenena ny olom-pirenena tamin’ny taona 2009 saingy ny teo ihany no teo. Faly mampiasa ireo tanora vao misandratra ny goaika antitra mpibizina politika izay mora mianatra ny fomba ratsin’ireo zoky efa ela nietezana. Miha mifanalavitra hatrany amin’ny sarambabem-bahoaka ny mpikirakira politika, hoy ny Sehatra Fanaraha-maso ny Fiainam-pirenena ka atahorana ny hitarozahan’ny krizy ary tsy hahavita ny fe-potoana iasany izay olom-boafidy lanim-bahoaka eo.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.