Mijanona ho adihevitra ary azo vinavinaina fa ho lavitra ny lalàna momba ny fanoherana eto Madagasikara.
Nahemotry ny Antenimierandoholona ny fandaniana ny tolo-dalàna PL 01-2019 momba ny ny sata mifehy ny mpanohitra sy ny fanoherana. Hita taratra tao anaty adihevitra ny zoma lasa teo fa nanana fikasana hanova teboka maro ao anatin’io tolo-dalàna io ny loholona. Antony fangatahana fotoana amin`ny fandaniana izany. Nilaza ny filohan`ny antenimierandoholona fa tsy mety lany adilahy politika ny adihevitra androany (ndlr: zoma 23 aogositra) satria na tsy mitovy hevitra aza dia nanamarika fa fitiavan-tanindrazana tena hanana ny tsara no nihaonana teto amin`ny antenimierandoholona. Nahemotra amin`ny fivoriana manaraka ny fandinihan`ireo loholona ilay lalàna nasaim-panitsiana ilay lalàna mifehy mpanohitra araka tamin`ny fivoriana afaka ny besinimaro natrehina. Fohy ilay fotoana ahafahana mandinika ilay tolo-dalàna, hoy i Rivo Rakotovao. Azo ambara, hoy izy, fa amin`ny adihevitra manaraka dia mila manamafy na amin`ny lalàna na ihany koa amin`ny fiarahamonina. Mila jerena ny fampiridirana ny loholona amin`ny rafitry ny fanoherana, hoy ny filoha Rivo Rakotovao. Iankinan`ny fiainam-pirenena ity lalàna ka tsy tokony hatao vonjitavanandro. Ilaina fakan-kevitra maro sady porofo ho fitiavan-tanindrazana no antony hanemorana izy ireo izany amin`ny manaraka, hoy hatrany ny fanazavana. Etsy an-kilany, nisy fakan-kevitra nalaina tamin`ireo mpanao politiika mpanohitra ivelan`ny parlemanta sy olom-pirenena izay anisan`ny notaterina tamin`ny fivoriana izay saika handanian`ny loholona ity tolo-dalàna ity ihany koa. Teboka maromaro no mbola mila fanamarihana fa tsy maintsy hiadian-kevitra toy ny mpanohitra ivelan`ny parlemanta izay tsy mahazo toerana ao anatin`ity tolo-dalàna ity. Midika izany fa mbola hiverina eny amin`ny antenimieram-pirenena ny fandinihana izany. Ankoatra izay, hisy tolo-dalàna avy amin`ny antenimierandoholona amin`ny fampidirana azy ao anatin`ny rafitry ny mpanohitra. Andrasana ao anaty fivoriana ara-potoana amin`ny volana oktobra ny fandinihana ny momba ny satan’ny mpanohitra raha toa ka tsy misy ny fiantsoana ny fivoriana tsy ara-potoana hafa. Ireo antoko mpanohitra sy fiarahamonim-pirenena no efa nohenoin`ireo vaomiera feo nandritra ny asam-baomiera nandinihana ilay tolo-dalàna momba ny fanoherana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.