Sarobidy Rakotondravao

«Aza atao kilalaon-jaza ny fiainam-pirenena!»


  • Talata 27 Febroary 2024

Niaraha-nahita tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo moa

fa nisy ny disadisa politika ary betsaka ireo tsy nandray anjara tamin’ny propagandy fa hitantsika tamin’ny haino aman-jery hoe 2 sy 3 no niezaka nanentana ny olony hifidy azy tamin’ireny, hoy ny mpanao politika, Sarobidy Rakotondravao. Nisy ireo niezaka namilivily ny saim-bahoaka tamin’ny resaka gasy sy vazaha, hoy izy. Ankehitriny anefa dia hoe handray anjara amin’ny fifidianana hoavy indray dia ny solombavambahoaka sy ben’ny tanàna izany. Nisy aza nanangana vovonana mihitsy hifaninanana ao anatin’izany. Ho an’ny mpanao politika, aza atao kilalaon-jaza ny fiainam-pirenena fa lasa mampisavorovoro ny fiainan’olona satria mbetika ianareo mandroso, mbetika mihemotra. Raha tsy mahatony fo amin’izany ny vahoaka dia mety miteraka ady an-trano eto amin’ny firenentsika. Ataovy ny fifaninanana madio sy mangaraharaha rehefa hiroso! Fitiavan-tseza sy fitiavan-tenan’olom-bitsy te hifehy an’i Madagasikara no tazana. Niaraha-nahita fa nisy nivoy adim-poko mihitsy tamin’ireny zava-nisy ireny! Tao no niteny hoe an-drizareo afovoantany foana ve sa an-drizareo an’indran-tany? Fantantsika fa ny tian’ireo mpanao politika sasany ahatongavana dia ny hananana solombavambahoaka eto Madagasikara ahafahany mametraka ny olony ho praiminisitra. Matoa ianao mandray anjara nefa dia tokony hanaiky izay vokatra hiseho eo. Na ny mpitondra na ny mpanohitra dia aoka samy hangarahara ny paika politikanareo ao anatin’izao fifidianana heverina ho manakaiky vahoaka izao, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

  • TSIAHIN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

TOLONA- TANORA GEN Z

  • Politika ampiharina
  • Zoma 02 Oktobra 2026

eny anivon'ny Minisitera

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

Hijery ny tohiny
FTT