Saro-piterahana ny PAN vaovao

Miandry baikon’ny fahefana mpanateraka…


  • Alarobia 10 Jolay 2024

Nosokafana ofisialy omaly teny Tsimbazaza ny taom-piasana ho an’ny Antenimierampirenena

amin’ny endriny ankehitriny. Depiote miisa 157, amin’ny 163 mandrafitra ny Antenimierampirenana, no tonga tamin’ny fotoam-panokafana, niala tsiny ny 5, ny 1 kosa any am-ponja dia ny solombavambahoaka Mahavitara Sylvestre voafidy tao Vangaindrano. 103 moa ny depiote vaovao ary 60 kosa no efa teo no tafaverina. Araka ny fampahafantarana efa nandeha nialoha, dia ny Zokiny indrindra dia ny depioten’i Mandoto Rakotoralahy Modeste voafidy tany Mandoto sy ny zandriny indrindra Gascar Fenosoa voafidy tao Antananarivo III. Niantso ireo Depiote namany mba tena hisolovava marina ny vahoaka moa ny depiote zokiolona nandritra ny lahateny nataony. Nampahafantarina omaly ireo depiote tsirairay. Anio kosa no holaniana ny fanovana ny fitsipika anatiny mba hifanaraka amin’ny isan’ny depiote ho 163 izay mila fankatoavan’ny HCC. Rahampitso alakamisy no hirosoana ny fananganana ny Birao maharitra, ny Vaomiera maharitra, ireo mety ho Vondrona parlementera. Ny zoma izao kosa no tokony hifarana ny fivoriana. Rahampitso izany vao mety hipoitra hoe : iza no ho Filohan’ny Antenimierampirenena vaovao ? Mitombo ireo anarana mety ho PAN : Sahondrarimalalala Marie Michelle, Tinoka Roberto, Milavonjy Philobert, Tokely Justin, Rivotiana Jean Bosco,... Samy tsy nisy namaly mivantana an’io anefa ireo, raha toa ka nilaza ny depioten’i Sainte Marie fa tsy hilatsaka hofidiana PAN sady tsy hilatsaka ho mpikamban’ny Birao maharitra, fa ny resaka mandeha tsy ferana ! Ao anatin’ny vovonana IRMAR, ka miandry ny fandaminana, izay fanapahan-kevitra iombonana, hoy hoy izy. Nilaza ihany koa ny Minisitra teo aloha Sahondrarimalala Marie Michelle, fa manaraka tanteraka ny fitsipi-pifehezana amin’ny maha anatin’ny antokony, ka na ho PAN na ho tsia dia mavesatra ny adidy miandry. Nisy moa ireo depiote avy amin’ny fanoherana nilaza omaly, fa raha ny tokony ho izy dia nofidiana ny PAN taorian’ny fanokafana omaly, saingy mbola tsy vonona ny Fanjakana manao ny baiko, hoy ny fanamarihana. Tena hisy ve ny fisaraham-pahefana sy ny tena fijoroan’ny fahefana mpanao lalàna hanara-maso ny mpanatanteraka eo anatrehan’izao endriky ny Antenimierampirenena.
IREO TOERANA METY HO AZON’NY MPANOHITRA SY NY OLONA METY HO EO
Momba ny Birao maharitra, raha mbola somary baraingo ny an’ny mpiara-dia amin’ny fitondrana, dia anarana mandeha avy aty amin’ny fanoherana ny depiote Siteny Randrianasoloniaiko, izay mety Filoha lefitra faha-7 avy amin’ny mpanohitra, mety ho Kestora 3 kosa ny depiote Rina Randriamasinoro, raha toa ka ny depiote Hanitra Razafimanantsoa no mety ho Filohan’ny Vondrona Parlemantera mpanohitra.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT