Sarin’ny Filoha any anaty Biraom-panjakana

Miaiky ny Fitondrana fa fandikan-dalàna ny tamin’ny 2009


  • Alatsinainy 18 Septambra 2023

Nampahatsiahy ny fiadidiana ny repoblika ny sabotsy teo fa araka ny fomba repoblikanina, ny sarin’ny filohan’ny

repoblika lany tamin’ny fomba demokratika dia mipetraka eny anivon’ny biraom-panjakana rehetra. Ny fanoloana na fanesorana izany sary izany, araka izay fomba amam-panao hatrizay naha repoblika an’i Madagasikara, dia miandry izay voka-pifidianana ofisialy avoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Ampahatsiahivina ihany koa ny rehetra, hoy hatrany ny fiadidiana ny repoblika, fa misy fitsipika mifehy sy fandrindrana izany eny anivon’ny biraom-panjakana ka ny tsy fanajana izany dia miendrika fandikan-dalàna sy fitsipika manan-kery. Fampahatsiahivana izay nampahatsiahy ihany koa ny zava-nitranga ny taona 2009, raha nandray ny fitantanana ny tetezamita ny fitondrana notarihin’ny filoham-pirenena malagasy farany teo, Andry Rajoelina, tamin’izany fotoana izany. Toy ny nampiseho ihany koa araka izany ity fampahatsiahivana nataon’ny fiadidiana ny repoblika amin’izao fotoana izao ity fa fandikan-dalàna ny nataon’ny fitondrana Rajoelina ny taona 2009 raha nanolo ny sarin’ny filoham-pirenena “lany tamin’ny fomba demokratika” saingy nahongany, raha ny filazan’ireo sehatra iraisampirenena azy tamin’izany fotoana izany, Marc Ravalomanana. Tsiahivina moa tamin’ireny fotoana ireny fa 3 taona be izao, mialohan’ny tena tokony hifaranan’ny fotoam-piasany ny filoham-pirenena, Marc Ravalomanana, no niongana. Zara raha nisy 2 taona ny fe-potoana niasana vitany raha nandray fanindroany ny fitantanana ny firenena, izany hoe 2007 hatramin’ny 2009, raha toa ka tokony mbola nitohy hatrany amin’ny taona 2012. J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT