Afa-baraka tanteraka ny solombavambahoaka vehivavy iray mitondra ny anarana RR, efa somary nalazalaza tamina toe-javatra nafana teny Tsimbazaza vao tsy ela akory izay.
Niparitaka sy lasa resabe tany anaty tambajotran-tserasera ny sariny mitanjaka tanteraka. Tsy fantatra mazava aloha izay tena niavian’io sary io, izay heverina avy hatrany fa mety ho olona akaiky na mpifanerasera aminy amin’ny alalan’ny tambajotra facebook, ohatra na ny mitovitovy amin’izany no namoaka sy nanaparitaka azy. Na koa nisy nanao hosoka ny kaonty fesibokiny na nisy nampiasa an-tsokosoko ny finday, ka nahazoana ireo sary mamoafady, izay tombanana ho izy ihany no naka sary ny tenany nitanjaka na ilay antsoina hoe : “selfie”, rehefa dinihina ny endrik’ireo sary miisa 4. Tsy io solombavambahoaka io irery no afa-baraka fa hatramin’ny antemieram-pirenena manontolo no hibaby henatra noho ity tranga ity. Fiainan’olona manokana izy ity, saingy niparitaka ho fanta-bahoaka, ka dia zary lasa resabe sy tsy ho lefy ao anatin’ny fotoana vetivety. Raha ny resaka nandeha hafa niparitaka tamin’ny teny vahiny moa omaly, dia voalaza fa mbola misy ny horonantsary amin’ny endriny mamoafady any ambadibadika any ary voalaza fa hoe havoaka tsy ho ela io. Tsara ny manamarika fa manambady aman-janaka io solombavambahoaka io satria niteraka 3 ary re fa any ampitan-dranomasina, any Frantsa ny zanany voalohany. Sady afa-baraka ny tenany, afa-baraka tanteraka ny andrim-panjakana misy azy sy ny firenena manontolo manoloana ity toe-javatra ity. Heloka sy henjehin’ny lalàna ny fanapariahana sarin’olona sy fanalam-baraka any anaty tranokalam-pifandraisana sy ny aterineto, ary ny tambajotran-tserasera. Io ilay antsoina hoe “cybercriminalité”, ka tsy hay na hitory ity solombavambahoaka ity na hangina. Ho avy ve ny mety ho fanadihadiana lalina sy ny fisamborana izay tompon’antoka ? Andrasana ny tohin’ny raharaha, indrindra fa ny mety ho fanambaran’ny Antenimieram-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.