Politique

Sangodim-panina politika Mihatery ny làlan-kivoahan-dRajoelina


  • Alarobia 21 Jona 2023

Mihamafana ny politika, ary miha avo lenta, ka mihasarotra hatrany ny toerana misy ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina,

izay manomboka manao ranolava ny fivoahan’ny dosie sy ny raharaha hafahafa mikasika azy. Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-63 taona niverenan’ny fahaleovantena no mipoitra ny taratasy maneho fa vazaha an-taratasy ny Filoham-pirenena ankehitriny. Na inona na inona antony sy fiarovan-tena atao, manaratsy endrika azy hatrany ireny ankoatra ny efa tsy fahombiazany. Fanomezana feno poizina na « cadeau empoisonné » ilay zom-pirenena nomen'ny Filoha Frantsay teo aloha Nicolas Sarkozy, fa tsy mba nanao toa an’i Didier Ratsiraka sy i Hery Rajaonarimampianina tsy nanaiky nomena zom-pirenena fa dia tia kely », hoy ny Minisitra iray teo aloha mialokaloka ara-politika any Frantsa. Dosie saropady ireny, azo sokajiana ho tsiambaratelom-panjakana ka endrika maneho fa natsipin’ny Frantsay tahaka ny bakiraro efa tonta? araka ny fanontanian’ny mpahay lalàna Malagasy iray monina any Frantsa ve i Andry Rajoelina? Nanao ranolava ny fiarovana azy nataon’ny olon’ny fitondrana, saingy nisy ny nifanipaka toy ny atsimo sy avaratra, ka tsy feo iray intsony, izay midika fa mikorontana hatramin’ny Fanjakana. Azo natao tsara ny nieritreritra tsara izay navaly sy niteny indray mandeha ihany, fa tsy ampitenenina daholo izao bodo sy adala rehetra izao, izay lasa miteny zavatra mifanohitra. Tsy tongatonga ho azy ireny, ary betsaka ny zavatra mety mbola hipongatra, amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Sarotra ny toerana misy an’i Andry Rajoelina na ekena aza fa mbola eo am-pelantanany tanteraka ny rafi-panjakana samihafa, izay maro no miahiahy fa hampiasaina hanomezana tombodahiny ara-politika no azy mazava ho azy ny volam-panjakana, fahefaham-panjakana, fananam-panjakana,... Misy etsy andaniny ny mpandinika politika milaza fa efa làlana mizotra makany amin’ny fanilihana an-dRajoelina tsy ho isan’ny kandida ireny, toy ny mety ho fanilihana amin’ny alalan’ny « ni…ni… » ireo mizaka ny zom-pirenena vahiny. Eo ihany koa ny mety ho fandrendrehana eo anatrehan’ny hoe : famadihan-tanindrazana avo lenta na «haute trahison». Tsy misy fanomezana zom-pirenena mandeha ho azy izany, fa misy tombotsoa na zavatra ilàn’ny vazaha anao matoa omeny. Mbola sangodim-panina ny ho fiodin’ny politika eto, saingy ny zava-misy dia maneho fa miha rendrika ny fitondrana Rajoelina ary tery ny làlana sy ny herijika ahafahany mifikitra amin’ny fahefana, raha tsy hoe: hisy ny fahagagana. Hisafidy ny hivoaka amin’ny varavaran-dehibe am-pahendrena ve ny volomboasary sa hanao tsipaky ny miala aina amin’ny alalan’ny sakoroka?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT