Tsy misy fanazavana ara-teknika mazava fa dia nakatona ara-bakiteny ny orinasa Tiko-AAA, ka voatery naato ara-teknika ny mpiasa 702. Hatreto aloha dia tsy misy ny resaka marimaritra iraisana mba hitsinjovana ireo vahoaka an’arivony miasa ao amin’ity orinasa ity.
Tsikaritra ho tsy vonon-kihaino sy hiara-kitady vahaolana ny fanjakana, fa entina amin’ny resa-politika ny raharaha. Tsy misy ny tena fanazavana teknika avy amin’ny mpitondra, fa minia mangina sy tsy te hahalala ny antsoantson’ny mpiasa. Toa mbola nanamafy hatrany tsy hahitan’ny orinasa Tiko-AAA mangirana ny tenin’ny praiminisitra nilaza fa ny heloka ara-ketra dia manan-kery mandra-pahafatin’ilay olona. Tsy misy te hahalala izany “personne morale” sy “personne physique” izany. Afangaro tanteraka ny resaka Marc Ravalomanana amin’ny maha olombelona azy sy ny zavatra misy hifandraisana aminy, izay potehina tanteraka. Toa hampanarahana ny dian’ny orinasan-tserasera MBS ity orinasa anisan’ny reharehan’ny Malagasy fahiny ity hoe tsy hisokatra intsony, raha mbola ny fanjakana HVM no eo. Raha mbola mandindona ny HVM amin’ny resa-politika i Marc Ravalomanana, dia hitohy hatrany ny kapa ranjo satria ny tanjona dia ny hoe haha vato kiboribory ny filoha teo aloha, ary sokajiana ho loharanom-bolany amin’ny fifidianana ny orinasa AAA-Tiko ka tsy maintsy potehina. Mety hiafara hatrany amin’ny zavatra hafa, toy ny fangejana ny harena manontolo mihitsy aza. Ny azo antoka anefa dia efa mitady vahaolana ny filoha teo aloha, ary tsy tongatonga ho azy izao fahanginany izao. Andrasana hisy ve ny mety ho fidirana an-tsehatry ny firenen-dehibe mba ho fanajana ny zon’ny mpiasa tsy manan-tsiny ?
Manao fanentanana miantefa amin’ny filoham-pirenena ny mpiasan’ny Tiko-AAA. Miisa 702 mahery ny mpiasa, ny tantsaha 4.000 ka raha mamelona olona 3 avy izany ireo dia efa 14.000 mahery no lasibatra. Mitalaho aminao izahay, mamerina ny antso avo amin’ny manampahefana na ao Antsirabe na ny fanjakana foibe, hoy ny solontenan’ny mpiasa Armando Razakarivo. Tsy ao anatin’ny fisandratana izany. Tsy manana asa izahay, ka rahampitso ve izahay hangataka any amin’ny prefen’Antsirabe, dia hodarohana baomba ? hoy izy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.